Namana/Amis/Friends

jeudi 10 novembre 2011

Rano an'ala (Barijaona)


O ! Rano a ! (3 fois)
Rano an’ala madio mangamanga,
Rano an’ala fisotron’akanga,
Rano an’ala mitondra hafaliana,
O ! Rano a !
Foko miontana sendra ny tiana.

O ! Rano a !
(3 fois)
Rano an’ala ka mangalahala,
Rano an’ala tsy misy tsingala,
Rano an’ala fanala alahelo,
O ! Rano a !
Vetson'ny foko izay mamelovelo

O ! Rano a ! (3 fois)
Rano an’ala ny fifanenana,
Rano an’ala ny fanantenana,
Rano an’ala ka miraondraona,
O ! Rano a !
Lavitra anao re ny foko misaona



O ! rano a ! (3 fois)
Rano an’ala iaraha-migoka,
Rano an’ala tsy tia lokaloka,
Rano an’ala alofan’ampanga,
O ! Rano a !
Izaho efa dodona, ianao tsy mitranga.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...