Namana/Amis/Friends

mercredi 9 novembre 2011

Ny anatra (Barijaona)


 Ny anatra hono tsy voankazo an'ala
Ka hisy mangidy tsy maintsy aloa
Fa tsipaky ny omby ka tena fandala
Satria mahafaty raha toa mahavoa

 Ny anatra anie toy ny tady hatsipy
Ka samy voasingotr'ireny ny miaina
Ny adala mihilika sady mikimpy
Ny hendry mandalina sady misaina

 Ny anatra hono fanao ala-nenina
Ka arangaranga tsisy afinafenina
Ny anongotsongoina ny maty ho taitra
Ny mandevim-belona mantsy tsy laitra

 Ny anatra hono tsy voankazo an'ala
Ka hisy mangidy tsy maintsy aloa
Fa tsipaky ny omby ka tena fandala
Satria mahafaty raha toa mahavoa

 Ny anatra anie toy ny tady hatsipy
Ka samy voasingotr'ireny ny miaina
Ny adala mihilika sady mikimpy
Ny hendry mandalina sady misaina.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...