Namana/Amis/Friends

mercredi 9 novembre 2011

Matoa (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona.


Matoa e ! manonja ny moron’ny rano,(2 fois)
Dia nisy ny rivo-nitsoka azy tao.
Matoa koa ny masoko manganohano,
Tsy hafa fa teny alaheloko anao.

Matoa re mijojo sy avy ny orana,
Dia efa nandrahona izy io anikeo,
Matoa koa ny foko no mangorangorana,
Dia manina te-ho eny akaikinareo.

Matoa misy kalo mandresy ny akora,
(2 fois)
Dia izany no hira manala toloko,
Matoa koa ny masoko ankipiko mora,
Dia maika ny hibanjina anao ao am-poko.

Matoa re mijojo sy avy ny orana,
Dia efa nandrahona izy io anikeo,
Matoa koa ny foko no mangorangorana,
Dia manina te-ho eny akaikinareo.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...