Namana/Amis/Friends

jeudi 10 novembre 2011

Ry ampitso ô (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona.

Ry ampitso ô ! Ry ampitso ô nahoana ?
 Ô nahoana no miery lavitra ahy ?
Ry ampitso e mirenireny foana
Mirenireny foana ’zato ambiroam-panahy

Te-hahita tambitamby, tambitamby
Saingy asa kosa izao, asa izao
Ry ampitso mpampitamby,
Inona e ny rakitrao? Inona e no rakitrao ?

Ry ampitso ô, meteza hanambara
Irony andro ho avinao ve andro tsara ?
Hampandositra ny tebin’ahiahy
Hampilamina ny saina sy fanahy

Ry ampitso izay miery takona any
Fantatray fa tsy ho foana e ny tomany
Saingy nisy ireo nitondra fahoriana ô
Iantsoana anao ry ampitso, ivimbino fifaliana

2 commentaires:

  1. Hiran'i Ranaivo Ranarivelo io fa tsy an'i Barijaona

    RépondreSupprimer
  2. Mirahaba tompoko,
    Mankasitraka an'i Gadona gasy amin'ny fanitsiana.

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...