Namana/Amis/Friends

lundi 19 août 2024

Tango tany an'ala (Jeneraly)

 Izao hira izao no entiko hanambara etoana
Ilay fotoana tsy hay hadinoina
Fotoana izay niarahantsika tany an’ala
Fa teny indrindra isika roa no nifanadala


Nioty voninkazo ery amoron-kady
Toa mpanambady andro alahady
Nitangotango foana teny dia nandihy
Nandihy tango teny amorom-parihy

Ireo siokam-boronkely
Izay re teny lavitr'eny
Ireny no mozika izay nandihizantsika
Nakimpiko ny masoko, nangovitra ny molotro
Saika hilaza zavatra, kanefa tena vahotra

Fa vetivety teo injay nisy feo

Toa feon’angorodao, hay va re ka feonao
Nibitsika mangina, nitady ny hatoriana
Fa vizambizana ka hiala sasatra

Velarinao teo amin’ny tany ny lambahoany
Tsara aok’izany, toa anao ihany
Dia teo indray isika roa no nandihy
Fa nangatsiaka ery amoron’ilay farihy

Nihanalefaka ny feon’ny mozika
Nandihizantsika tsisy nahita
Tsy nisy koa moa nahare izany hira izany
Afa-tsy izaho sy ianao irery ihany

Tsy nahalala nody fa tsara fanafody
Ka tany an’ala tany no saika hanorina akany
Ny lanitra no tafo, fitia re no sakafo
Raha vitan’izany moa maninona tokoa ?

Indrisy rediredy, ianao ve tsy ho bedy ?

Kanefa azo atao raha manaiky  mamanao
Lazao azy mangina ny tena fifaliana
Fa any an’ala any no ahitana an’izany.

Dia izay!

Kila sady may (Lalao Rabeson) Accord (Parlez-moi de lui, Françoise Hardy) (The way of love Kathy Kirby)

Bb/F        F6            Bb/F          F           F6

Vao nahita ianao  endrika iray
             BbM7            Am7b5      D7b9
Tena sitrakao
ho mandrakizay
          G7                     C7
Dia nitia ianao  
 kila sady may
        Cm7       D7      Gm          Bb/F

Nefa izao ianao     toa mangaihay
             Em7b5  A7              C7       F7


Nitomany ianao
endrika iray
          BbM7               
Am7b5    D7

Lasa sy nandao niova lasy indray
          G7                     C7
Tsisy azo atao
       kila sady may
         Cm7       EbM7      Dm7        G7
Ny fitiavanao
   may mandrakizay
        Cm7     F7                   BbM7

Cm Bb Eb6

Vao nahita ianao        endrika iray
            EbM7     Dm7b5    G7      C7
Tena sitrakao
ho mandrakizay
          C7                      F6
Dia nitia ianao  
 kila sady may
          Fm        Bb      Cm         Eb/Bb

Nefa izao ianao  toa mangaihay
             D7/A  D7                        Fm6

Cm Bb Eb6

Nitomany ianao
       endrika iray
          Eb          Dm7b5      G7     C7
Lasa sy nandao niova lasy indray

          C7                      F6
Tsisy azo atao
       kila sady may
         Fm         AbM7      Gm7b5        C7
Ny fitiavanao
   may mandrakizay
         Fm       Bb                 EbM7     Ab/Eb
Kila sady may
        Bb7              Ab/Eb

…………Ianao
EM7
Eb     C#/D#     Eb     
C#/D#     Eb

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...