Namana/Amis/Friends

vendredi 30 mai 2014

Tany mamiko, Embona (Bodo)


Tany mamiko

Oram-be mivatravatra, kotro-baratra
No nalaiko ho namana
Tsy hamoy fo alahelo an-tanin'olona aho
Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra ahy

Ny korana sy lalao manakora
Manangoly niarahana
Sento lalina fa manina te hody
No asetriko ny tsikiny
Mampanganohano ahy

Na ny mamiratra aza no hanambazana ahy
Tsy nahasarika ahy ireo fa ianao
Ry tany mamiko no nampanembona ahy
Niherikerika aho fa sao tao ianao
An-tsaina sisa no nahitako anao

Tobin-drahona nandalo no nafarako
Nefa ireny mba ho aiza moa?
Niriako orana mikija tsy hamonto anao
Fa tsy ho anao ry taniko tsy tafita ny hafatro...

Na ny mamiratra aza no hanambazana ahy
Tsy nahasarika ahy ireo fa ianao
Ry tany mamiko no nampanembona ahy
Niherikerika aho fa sao tao ianao
An-tsaina sisa no nahitako anao

An-tsaina sisa no nahitako anao
Embona

Toy ny vorona niara-niriaria
Teny an-dohasaha izahay
Ny rivotra nifofo, ny orana nikija
Niaraha-nisedra avokoa

Mahita anao aho ankehitriny
Dia toa adinoko ireny
Variana tamin'ireo tambitamby
Niaro fitia tsy antenaina

Fa na dia satriko aza ny hitafa aminao eto ihany Avelao aho hamonjy ilay namako any ho any
Fa manembona aho izany
Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany

Fony izahay niara nilalao,
Na ny soa na ny ratsy niarahanay natao
Nisy ireo hafaliana sy ranomaso indraindray
Fotoana maro teto anilanao toa haravona lalandava
Nanafina alahelo, hakiviana
Nahatonga ahy toa hanjombon-dava

Fa na dia satriko aza, ny hitafa aminao eto ihany Avelao aho hamonjy ilay namako any ho any
Fa manembona aho izany
Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany
Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany
Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany 


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...