Namana/Amis/Friends

mardi 8 novembre 2011

Diavolana (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona. 


Diavolana fenomanana takariva
Mampanembona ireo havan-tiana
'Njao manako sy mamoha toa antsiva
Ny halahelo fa lavi-podiana
Mahamanina izay tazanina
Any mantsy ny any aminay

Diavolana fenomanana takariva
Mitambolona ny andro fahiny
'Reo korana, kalokalo, tononkira
Mahamanina ny fo mivahiny
Volivoly ô, ngolingoly akia
Any mantsy ny any aminay

Diavolana fenomanana takariva
Ka tsaroana e i Dada sy i Neny
'Reo angano sy arira mahaliana
Njao manako ombieny ombieny
Ny alahelo mamelovelo
Any mantsy ny any aminay

Diavolana fenomanana takariva
Mitambolona ny andro fahiny
'Reo korana, kalokalo, tononkira
Mahamanina ny fo mivahiny
Volivoly ô, ngolingoly akia
Any mantsy ny any aminay.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...