Namana/Amis/Friends

mardi 8 novembre 2011

Fasako faharoa (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona. 


'Lay fasako, fasana ihany
Fa ny foko dia fasana koa
Io no fasako ivelan'ny tany
Io no fasana iray faharoa

Tsy mba vero na mba rangolahy
No manafina io fasana io
Fa ny nofoko zary manahy
No mandrakotra ny omaly sy ny anio

Sentosentoko mamelovelo
Ranomaso, toloko tsy tana
Izy ireny no sarin'avelo
Nitampody ka sarotr'ialana

Ao ny nofy no volavolaina
'Zay nisinda na nafoy tsy hita
Ao no rendrika ilay natenaina
'Lay sambo natao ho tafita

Ao tsantan'ny andro taloha
Sy ny hiran'ny fahazazako
No nilevina ka tsy nifoha
Na niverina mba hitondra afo

Sentosentoko mamelovelo
Ranomaso, toloko tsy tana
Izy ireny no sarin'avelo
Nitampody ka sarotr'ialana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...