Namana/Amis/Friends

mardi 8 novembre 2011

Ndeha hilalao (Barijaona)


       He tomarataratra ilay volana eny ambony toa miantso :
       Ndeha hilalao, ndeha hilalao
       Ny kintana amin'izany sy ny rahona irony toa
       Mikopaka anao, mikopaka anao
       Ny bitsiky ny rivotra miritsoka any ho any toa
       Miventy hoe avia, miventy hoe avia
       Avia, avia, avia hilalao!

       Ianao, eny ianao izay mitalaho, avia mifalia
       Faingana é! miandry anao izao tontolo izao, herezo ny dia.

      Eny fantatro ianao fa mbola voaratran'ny lasa
     Kanefa, ovay ho vao, ny ratra kobonina
    Dia zary mandratra

       He tomarataratra ilay volana eny ambony toa miantso :
       Ndeha hilalao, ndeha hilalao
       Ny kintana amin'izany sy ny rahona irony toa
       Mikopaka anao, mikopaka anao
       Ny bitsiky ny rivotra miritsoka any ho any toa
       Miventy hoe avia, miventy hoe avia
       Avia, avia, avia hilalao!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...