Namana/Amis/Friends

mercredi 9 novembre 2011

Havako anie izy izay (Barijaona)


Havako anie izy izay, eny havako
Ny anarany mantsy dia tsy afaka am-bavako
Maro reo kinta-mamiratra roy “
F'iny tokako iny dia sarotra hafoy

Havako anie izy izay, eny mamiko
Na ratsy na tsara dia izy no laniko
Nomeko ny foko, nomeko hanjakany
Ka asany kosa raha ho ravaravany

Havako anie izy izay, izy irery
Raha lavitra azy ny saiko dia very
Ny sariny mantsy voasikotra anaty
Tehiriziko tsara ao am-po mandra-maty

Havako anie izy izay, eny tiako
Tiako dia tiako fanilon'ny diako
Hokolokoloiko sy ataoko andrimaso
Fa be 'reo mpisompatra sy mpanao ankaso

Havako anie izy izay, izy irery
Raha lavitra azy ny saiko dia very
Ny sariny mantsy voasikotra anaty
Tehiriziko tsara ao am-po mandra-maty

Havako anie izy izay, eny tiako
Tiako dia tiako fanilon'ny diako
Hokolokoloiko sy ataoko andry maso
Fa be reo mpisompatra sy mpanao ankaso.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...