Namana/Amis/Friends

mercredi 9 novembre 2011

Ho Anao, dina (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona.
Ho anao no hikaloako izao hira izao
Ho fahatsiarovana ny andro fahizay
Fony izaho sy ianao nivoady ny ho doria
Tsy ho arahina talaho ho hajaina ilay fitia
Tsaroako izany teo amoron'ny farihy
Nanatri-tava teo ny adiam-borondia
Nanasa antsika mba hisariaka
Hanamafy ny dinan'ny tiana sy ny tia

Tsy ho adino irony loka sy fanamby
Niaro tsiky safosafo tambitamby
Nampiana kalo mba tsy himalo
Tsy ho hatakalo ny rendrarendra izay mandalo

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...