Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Midina Tomponay 201(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)
 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)G. Cousins

1. Midina, Tomponay !
Ampionao izahay
Hidera Anao
Ray soa tia anay,
Hery sy tanjakay
Zany hotompoinay
:,: Mandrakizay :,:

2. Avia, Jeso ô!
Reseo ny rafinay
Ho lavonao
Arovy izahay
Amin'ny herinao
Ny fitarainanay
:,: Henoinao :,:

3. Fanahy Masina ô!
Tariho izahay
Hanaiky 'zao
Mahery Ianao
Ny fonay anjakao
Aza ilaozanao
:,: Mpananatra ô :,:

4. Ry Telo 'zay Iray!
Dera mandrakizay
Omena Anao
Ny voninahitrao
Aoka ho hitanay
Ka raisonao 'zahay
:,: Ho aminao :,:


Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...