Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Mpivahiny mba lazao 505(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Andrianaivoravelona

1. Mpivahiny! mba lazao:
Zovy moa hianao?"
"Izaho namanao ity,
Fa miandry Ilay ary."
"Mpivahiny! mba lazao:
Iza no andrasanao?"
"Jeso, Havako ary,
No andrasako aty."

2. Mpivahiny! mba lazao:
Aiza no halehanao?"
"Lalana ety avokoa
Sady sarotra tokoa."
Mpivahiny!mba lazao:
Iza no hirahinao?"
"Jeso,Zoky be fitia,
Tsy mamela mba hania."

3. "Mpivahiny! mba lazao:
Aiza no hodiovinao?"
"Ao an-danitra madio
No aleha ankehitrio."
"Mpivahiny! mba lazao:
Iza no handray anao?"
"Jeso, Ilay Mpanjaka soa,
Tompo, Havako tokoa."

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...