Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Ny Mpamonjy no mitady fihavanana 354(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)Rabary

1. Ny Mpamonjy no mitady
Fihavanana aminao
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao;
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao,
Ka ny mety mihavana
Amin'ny Mpamonjy izao.

2. Dieny misy hafanana
Ka mangoraka ny fo,
Manatòna ny Mpamonjy
Sao dia mangatsiaka indray.
lzao no andro famonjena,
Ka vonjeo sao neninao;
Ry mpanota, miverena
Izao ankehitriny izao.

3. Sao ity no toriteny
Fara-fanasana anao;
Sao anio no fotoana
Fara-ahavelomanao;
Ka aza mba misalasala,
Sao manjary neninao,
Raho tsy mety mahalala
Izao fotoana mety izao.

4. Indrisy! be ny fahotako,
Be ny ratsy vitako;
Sao tsy raisin'ny Mpamonjy
Ny mpanota tahaka izao?
Miverena, fa ny rany
Ampy hahadio anao;
Manatòna hosasany
lzao ankehitriny izao.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...