Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Ry Jesosy mba tantano 630(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)Rakotondranisa

1. Ry Jesosy mba tantano,
Ho tafita soa ary,
Ka ambeno sy sakano,
Izay rehetra loza aty.
Rano be mangeniheny,
Izao alehako izao;
Ka aoka Hianao hiteny,
Mba ho tokiko hatrao.

2. Aza miandry ao am-pita
Sao dia fefika aho aty;
Fa avia hiara-mita,
Dia ho tody soa ary.
Raha sendra ka manonja
Izany alon-drano be,
Aoka Hianao ho tonga
Hampitony ahy re.

3. Ao ny rivotra mahery
Mety hampivadi-po,
Fa ny feonao irery
Mampisava ny manjo
Any koa ny vatolampy
Sy ny biby marobe,
Fa ny herinao dia ampy,
Ka vonjeo ny zanakao.

4. Ry jesosy! Mihainoa,
lzao fivavako izao,
Mijoroa, misehoa,
Ka jereo ny diako izao;
Mbola lavitra ao am-pita
Ka tsy hita izay hanjo,
Toy ilay tao Genesareta,
Misehoa Hianao!

 Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...