Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Ry Kapiteny be ny ady manjo 641(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)Rajaonary

1. Ry Kapiteny, be ny ady manjo,
Mila ho reraka sy kivy ny fo,
Ka hatanjaho mba hatoky Anao,
Tompo ô! Avia mamonjy ahy izao.

Fiv : "Eny, Izaho mamonjy anao,
Ka mampahery sy miaro anao;
Aza matahotra mihitsy hianao,
Fa Izaho momba sy manampy anao."

2. Ny fahavaloko aty mba reseo,
Ka taomy aho mba handray rahateo
Ny fiadiana avy aminao;
Tompo ô! Vimbino aho, aza mandao:
"Eny, Izaho, sns...

3. Lasa tokoa re ny tahotro teo,
Ka na mamely ahy aza ireo,
Tsy mba manahy intsony aho izao,
Fa mamonjy sady tsy mandao Hianao:
"Eny, Izaho, sns...

4. Fa ny mpiady maharesy aty
no hosatroham-boninahitra ary;
Maro, no efa tonga ao, Aminao,
Tompo ô! Avia hitarika ahy hankao:
"Eny, Izaho, sns...

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...