Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Ry mpanota mihevera 356(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Ralaikera

1. Ry mpanota! Mihevera;
Fa miantso Kristy izao;
Izy ta-handray mpanota,
Manatona hianao;
:,: Mihainoa, mihainoa,
Ka ario ny ditranao.:,:

2. Ry mpanota! Miverana
Ao am-balan'i Jeso;
Aza dia mirenireny,
Sao iharan-doza izao:
:,: O! modia, O! modia,
Ialao ny ditranao.:,:

3. Ry mpanota! Manatona
Dieny misy antso 'zao,
Fa ho avy ny fotoana
Mbola hanenenanao:
:,: O! avia, O! avia,
'Zao ankehitriny 'zao.:,:

4. Ry mpanota! Matokia,
Tompo mora fo Jeso;
Izy dia tena tia
Izay mibebaka tokoa;
:,: Matokia, matokia,
Mibebaha re izao.:,:

5. Ry Sakaizan'ny mpanota,
Ento aho ho Anao;
He! Ny tenako rehetra
No atolotro izao;
:,: Raisonao re, raisonao re
Ho fanati-tsitrakao.:,:

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...