Namana/Amis/Friends

jeudi 10 novembre 2011

Vorona ô (Barijaona)


Vorona o!Mba mivilia hitondra bitsika any Vorona o!Harivariva an-tanin'olona aho Ampitan-dranoAmpitan-drano re no misy anay Jereo fa vitsika momba kitay K'ity manafatra anao.
Vorona o!Mba hivilio ilay akaniko any Vorona o!Atopatopan-dranomasina izy izay Jereo fa nosyMisaritsarin-tongotra ankavia Tsy takatr'antsoKa e mba vimbino Ity teny fohy hoe "tsy adino".
Tsy ditrany hono hoeNo nandaozany ny akany maminy iny Tsy antery anefaFa nafaitra loatra ilay fitenin'ny havany iny Tsy tantiny tokoaKa notinafiny famoizana ny ela Tsy vato anie ny foF'injao mitepo ihany vonona hifamela.

Vorona o!
Mba hivilio ilay akaniko any
Vorona o!
Atopatopan-dranomasina izy izay
Jereo fa nosy
Misaritsarin-tongotra ankavia
Tsy takatr'antso
Ka e mba vimbino
Ity teny fohy hoe "tsy adino".

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...