Namana/Amis/Friends

jeudi 10 novembre 2011

Volana hono zany isika (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona.
Volana (3), hono, izany isika,
Mandefa taratra eny ambony,
Na masoandro mibaliaka
Mibaribary tsy malony
Kintana, kintana mihiratriratra,
Mitafy rahona mamiratra,
Na ho rivotra irakiraka
Manafosafo morontsiraka.

Ary izao tontolo izao, ny tany sy ny habakabaka,
Hanjary kianja vaovao ifaninanana hazakazaka,
Ary ireny rehetra ireny no hiainam-paradisa,
Tokana, eny, mandravaka ny androntsika sisa

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...