Namana/Amis/Friends

jeudi 10 novembre 2011

Tsy resy tsy akory (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona.

Tsy resy tsy akory ny olo-mangina
Satria ny miteny, toa afo (2) afon-jozoro
Ny mahery vaika fa vetivety dia gina ô
Tsy afon’apombo izay ela vao doro

Koa tandritandremo ny manao be am-bava
Mahaiza mitsako sao kenda ka rava
Ilay andronao izay nokoloina ho andry
Dia natao hanefana ny adidy izay miandry
Satria izay maharitra sy miari-pery
No tojo ny tsara tsy miaina amin’ny tery

Tsy resy tsy akory ny olo-mangina
Satria ny miteny toa afon-jozoro
Ny mahery vaika vetivety dia gina ô
Tsy afon’apombo izay ela vao doro

2 commentaires:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...