Namana/Amis/Friends

lundi 19 mars 2012

Alina re (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Alina re(alina re), alina re(alina re),alina re!

Gina avokoa izao ny voahary
Ny tany tontolo efa maizina re
Lasa nody ilay masoandro
Manazava izao rehetra izao

Injany any ho any fa heno manako
Any lavitra any toa feon-dakolosy (pam)
Manambara fa alina ny andro
Ary toy ny mamohafoha ny fanahy

Mba kanto loatra ity alina
Ka indro tsy tana ny vetsoko izao
Dia avy ary aho mikalo mangina
Mahatsiaro azy ’zay 'lay fo mahatsiahy

Alina re(alina re), alina re(alina re),alina re!

Ny fo mahatsiahy no indro misento
Manembona lava ’lay tiana any ho any
Mazava eran-tany ny volana ambony
Hiampita hitondra ny vetsoko  izao
Hiampita hitondra ny vetsoko aminao, alina re!!!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...