Namana/Amis/Friends

lundi 19 mars 2012

Ambanivohitra (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Mangina sy tony ilay ambanivohitra iny
Mangina toa ory ka tsy mahatamàna
Nirodana avokoa ireo tamboho
Ny sisa rehetra zary alahelo avokoa

Ireo voron-kely, lasa niely(lasa niely)
Nandalo niserana ihany
Nandalo fa toa nanadino ilay akany
Toa hampitomany ny fieritreretana izany hoe

Kila sy may ireny tendrombohitra ireny
Toa very fanahy satria tsy mavana intsony
Tsy latsaka intsony ireny ranon'orana ireny
Ny rahona ambony lasan-davitra nandao ny tany


Ireo voron-kely, lasa niely(lasa niely)
Nandalo niserana ihany
Nandalo fa toa nanadino ilay akany
Toa hampitomany ny fieritreretana izany
...Haolo...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...