Namana/Amis/Friends

lundi 19 mars 2012

Ianao no nanavotra ahy (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Ianao no nanavotra ahy tamin’ny fahoriako
Ianao no nanafaka ahy tamin’ny fijaliako
Hatramin’izao foiko ho anao
Raiso ho Anao (ny fiainako rehetra)
Inty, Tompo ô e! raiso re e! fa fanati-tsitrapo e!
Raiso, raiso, raiso ho Anao fa fanatitra

1. Hatrizay ela izay dia ny làlan-tsitrapo
No mba nizoranay nefa nanahoana moa
Indro! Tompo ô e! raiso re e! fa fanati-tsitrapo e!
Eny, raiso, raiso, raiso ho Anao fa fanatitra

2. Moa fahoriana hatrany ve no iainako ety
Sa any ankoatra any misy hasambarana doria
Indro! Tompo ô e! raiso re e! fa fanati-tsitrapo e!
Raiso, raiso, raiso ho Anao fa fanatitra
Fa fanatitra.....

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...