Namana/Amis/Friends

lundi 19 mars 2012

Ilay tanàna (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Iny volana iny
’reny kintana ireny
Mbola ahatsiarovako anao
Ny lanitra manga
’reny rahona ireny
No hikaloko anao hatrany

Soa loatra ianao
R’ilay tanànako nilaozako ela be
Soa loatra ianao
R’ilay tanànako nilaozako ela be

’Reny lohasaha
Ny rano mikorina
No hitiavako anao
Ny kalo takariva
’Reo voron-tsara feo
No hivetsoako anao mangina

Soa loatra ianao
R’ilay tanànako nilaozako ela be
Soa loatra ianao
R’ilay tanànako nilaozako ela be

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...