Mamindrà fo amiko fa reraka aho
Sitrano aho fa mihorohoro ny vatako
Miverena amiko, afaho ny fanahiko
Vonjeo aho noho ny famindramponao
Ohé
Tsinjovy ny fahoriako
Ianao no fifaliako
Ka mihaino ny feoko
Ianao no hitokiako
Todiho aho ka amindrao fo
Irery ka mijaly
Noho ny fahorian'ny foko
No efa mandreraka ahy
Ohé
Efa sasatra aho ka misento nony alina
Lanin'ny alahelo ny masoko
Vonton'ny ranomaso ny tavako
Noho ireo mpampahory ahy
Mamindrà fo amiko ouuuh!
tiako be ity hira ity misaotra an 'i NyAntsa nandefa azy amin'ity pejy ity
RépondreSupprimerMankasitraka tompoko!
SupprimerMankasitraka e! Tiako indrindra raha misy ny partition an'io hira tsy tonta ny ela no sady manetsika fanahy. Misaotra
RépondreSupprimerManaja tompoko! Mahafinaritra tokoa e!
Supprimer