Namana/Amis/Friends

lundi 19 mars 2012

Mamindrà fo amiko (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Mamindrà fo amiko fa reraka aho
Sitrano aho fa mihorohoro ny vatako
Miverena amiko, afaho ny fanahiko
Vonjeo aho noho ny famindramponao
Ohé

Tsinjovy ny fahoriako
Ianao no fifaliako
Ka mihaino ny feoko
Ianao no hitokiako
Todiho aho ka amindrao fo
Irery ka mijaly
Noho ny fahorian'ny foko
No efa mandreraka ahy
Ohé

Efa sasatra aho ka misento nony alina
Lanin'ny alahelo ny masoko
Vonton'ny ranomaso ny tavako
Noho ireo mpampahory ahy
Mamindrà fo amiko ouuuh!

4 commentaires:

  1. tiako be ity hira ity misaotra an 'i NyAntsa nandefa azy amin'ity pejy ity

    RépondreSupprimer
  2. Mankasitraka e! Tiako indrindra raha misy ny partition an'io hira tsy tonta ny ela no sady manetsika fanahy. Misaotra

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...