Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Ranomason'ankizy (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Fony aho mbola ankizy
Tsaroako tsara ny toetrako
Fa isaky ny bedy manganohano ny masoko
Indraindray aho miady kely any am-pilalaovana
Ny ranomasoko ny ahy no hany fiarovana

Angamba tsy izaho ihany no niaina izany
Fa na izaho na ianao dia samy nandalo teo
Lalam-piainana...
Angamba tsy izaho ihany no niaina izany

Ankehitriny fanaoko ihany ny toy izany
Rehefa sendra ditsoka
Tsy maintsy mitomany
Fa teny am-pilalaovana no tena be ny olana
Ny ranomasoko ny ahy vokatry ny fitiavana


Fony aho mbola ankizy
Tsaroako tsara ny toetrako
Fa isaky ny bedy manganohano ny masoko


Angamba tsy izaho ihany no niaina izany
Fa na izaho na ianao dia samy nandalo teo
Lalam-piainana
Angamba tsy izaho ihany no niaina izany

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...