Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Volana (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

O ry vorona ô
E ry vorona iry e
O ry vorona ô
E ry vorona riy e
Inay any aho mba toa anao
Kopak’elatra ihany dia ampy
Hiaingako hody any androany
Ho any alavitra any
Ho any amin’ny misy azy
Sarotra mantsy ny lalan-kombana
Fa hihoatra irony havoana
Mbola lalina koa ny rano
Tsy araky ny aiko izany
Sao dia tratran’ny orana ô
O ry vorona ô
E ry vorona iry e

O ry volana ô
E ry volana iry e
O ry volana ô
E ry volana iry e
Mba raiso aho ho eny aminao
Eny mantsy toa mahita ny any
Fantatro izy fa mijery anao
Sao dia mba tafahaona e
Ny masonay samy miandry
Vetivety ihany anie fa tsy ela
Raha tsy mety moa ataoko ahoana?
Ny tenako anie na mbola aty
Ny foko dia efa any
Tsy adala fa tena tia
O ry volana o
E ry volana iry e

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...