Namana/Amis/Friends

lundi 26 novembre 2012

Dola tsiketrika Afindrafindrao (Razilinah)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Razilinah.

Roy e roy e roy e ry lahy!
Midola tsy ketraketra ketrak’ila
Midola tsy amin-tsavony mavo ranjo
Midola mitongim-baky "mauvais"
Mitari-pasika mody ka tsy tiako
Lazondazom-boakanzo nankalao
Lazondazom-pitia nanadala
Tiavo ny havanao Ramatoa
F’izaho aza ariana sombiniaiko

Eny ekeko fa marina izany
Raha ianao peratra
Izaho rantsan-tanana
Iianao no endriko
Izaho bikanao sombiniaiko
F'aza dia miavonavona ry Ikaky
Aza dia tsyy miteny ho aho ianareo
Raha tsy tianareo any aho
Atero any an-tsasa-dalana aho mba hody e

Eny ekeko fa marina izany
Tranonay sy malala
Manao atsimo sy avaratra
Sioka tokana dia mivoaka
Kopa-damba dia lasa "rendez-vous"
Ondaondano kely anie aho ry patro
Fa marary ny an-dohako e
"Fa maninona no marary ?"
Tsy niala vazom-boana ka narary e !

Eny veloma masina ny aty
Teny Antananarivo izahay
Aarivo tratry ny taona
Tetsy Ambatonankanga izahay
Nahazo akanga nifahy ô
Ary teny Ambohimanga izahay
Namangy an’ Ikaky sy Neny
Hitondray tamotamo aho hitamotamoko
Hitondray sakarivo aho hirivorivoko
Paraky mahery izahay re
Ka tsy hanin’ olon-jejo.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...