Namana/Amis/Friends

lundi 19 août 2024

Tango tany an'ala (Jeneraly)

 Izao hira izao no entiko hanambara etoana
Ilay fotoana tsy hay hadinoina
Fotoana izay niarahantsika tany an’ala
Fa teny indrindra isika roa no nifanadala


Nioty voninkazo ery amoron-kady
Toa mpanambady andro alahady
Nitangotango foana teny dia nandihy
Nandihy tango teny amorom-parihy

Ireo siokam-boronkely
Izay re teny lavitr'eny
Ireny no mozika izay nandihizantsika
Nakimpiko ny masoko, nangovitra ny molotro
Saika hilaza zavatra, kanefa tena vahotra

Fa vetivety teo injay nisy feo

Toa feon’angorodao, hay va re ka feonao
Nibitsika mangina, nitady ny hatoriana
Fa vizambizana ka hiala sasatra

Velarinao teo amin’ny tany ny lambahoany
Tsara aok’izany, toa anao ihany
Dia teo indray isika roa no nandihy
Fa nangatsiaka ery amoron’ilay farihy

Nihanalefaka ny feon’ny mozika
Nandihizantsika tsisy nahita
Tsy nisy koa moa nahare izany hira izany
Afa-tsy izaho sy ianao irery ihany

Tsy nahalala nody fa tsara fanafody
Ka tany an’ala tany no saika hanorina akany
Ny lanitra no tafo, fitia re no sakafo
Raha vitan’izany moa maninona tokoa ?

Indrisy rediredy, ianao ve tsy ho bedy ?

Kanefa azo atao raha manaiky  mamanao
Lazao azy mangina ny tena fifaliana
Fa any an’ala any no ahitana an’izany.

Dia izay!

Kila sady may (Lalao Rabeson) Accord (Parlez-moi de lui, Françoise Hardy) (The way of love Kathy Kirby)

Bb/F        F6            Bb/F          F           F6

Vao nahita ianao  endrika iray
             BbM7            Am7b5      D7b9
Tena sitrakao
ho mandrakizay
          G7                     C7
Dia nitia ianao  
 kila sady may
        Cm7       D7      Gm          Bb/F

Nefa izao ianao     toa mangaihay
             Em7b5  A7              C7       F7


Nitomany ianao
endrika iray
          BbM7               
Am7b5    D7

Lasa sy nandao niova lasy indray
          G7                     C7
Tsisy azo atao
       kila sady may
         Cm7       EbM7      Dm7        G7
Ny fitiavanao
   may mandrakizay
        Cm7     F7                   BbM7

Cm Bb Eb6

Vao nahita ianao        endrika iray
            EbM7     Dm7b5    G7      C7
Tena sitrakao
ho mandrakizay
          C7                      F6
Dia nitia ianao  
 kila sady may
          Fm        Bb      Cm         Eb/Bb

Nefa izao ianao  toa mangaihay
             D7/A  D7                        Fm6

Cm Bb Eb6

Nitomany ianao
       endrika iray
          Eb          Dm7b5      G7     C7
Lasa sy nandao niova lasy indray

          C7                      F6
Tsisy azo atao
       kila sady may
         Fm         AbM7      Gm7b5        C7
Ny fitiavanao
   may mandrakizay
         Fm       Bb                 EbM7     Ab/Eb
Kila sady may
        Bb7              Ab/Eb

…………Ianao
EM7
Eb     C#/D#     Eb     
C#/D#     Eb

mercredi 27 septembre 2023

Sombinaiko, Aza manadino (Odéam RAKOTO)

Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"


"Aza manadino ahy na dia efa dify aza

Ka tsy ho hita insony ilay sakaiza fahazaza

Tsy ho aiza akory f’hialoha lalana

 Hanamboatra paradisa sy lapa ho vantaninao"


"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

"Tsy hamela anao hanjeny irery

Raha mbola eto ety antany

Satria mantsy ny aveloko

Dia manaraka eny ihany"


Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"

"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

vendredi 11 décembre 2020

Ho an'Ilay nateraka an-tranom-bilona (Feo Miantso FLM Tsarahonenana)

Isaorana ny Feo Miantso FLM Tsarahonenana sy ny mpamorona ny hira VELOMASY V. Gaston, nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!
Tonony sy feony: VELOMASY V. Gaston
Arr: RANDRIAMANANTSOA Tefiniaina

Ny voary rehetra samy nakalaza

Nanerana ny vazan-tany efatra

Haleloia(4)

Ho an'Ilay nateraka an-tranom-bilona


Ny anjely rehetra samy nanao feo fiderana

Tsy manam-petra hankalazana an'Andriamanitra Ray

Izay mipetraka amin'ny seza fiandrianana

Haleloia(2), dera Haleloia


Omeo Azy ny dera

Omeo Azy ny laza

Omeo Azy ny haja

Sy voninahitra




lundi 9 novembre 2020

MANDONDONA (The Singers of Jesus) Accord





Prélude: D5/D   D/F#   Bm7/G
D5/B   D5/F#   G    A   B

       D5                                       D/F#           Bm7/G
Nandeha nizaha ny tsiron’ny tontolo nitady ny soa
  D5                                D/F#              E/Ab    Gm
Zay rehetra hita teny ho eny toa tsara avokoa
                        D/F#                       Am7    D7     G     
Tsy nandalàko hery, namoizako ny androko rehetra
    Em            D/F#        G                    E7/Ab    A 
Fa hay misy ihany ny fetra, nikarapoka aho

 

            D5                   D5/C#                              D5/B
Fa nandondona tao am-poko tao ny Tompo nitomany
             D5/F#                                Bm7/G
Reko ny antsony amiko hoe mitsangana
          D/F#                 Em                       A                   
Tonga aho hamonjy anao, tsy an-tery anie fa
             D5
mandondona
            D5/C#                     D5/B
Mba vohay re ny fo sao dia tara
      D5/F#                         Bm7/G
Voafetra anie ny ora atsy afara
          Bm                     C           Em                  A               G          Em        D
Tonga aho hamonjy anao, hanorina ny hoavinao mandondona

 

D5                                        D/Gb                Bm7/G
Saritsarim-piainana ihany , izao hita maso izao
      D5            D/Gb              E/Ab                        Gm
Ho rava sy ho foana atsy ho atsy, ka mivonona ianao
               D/F#                                Am7    D7    G     
Nandanianao hery, namoizanao ny andronao rehetra
       Em                      D/F    E7/Ab     A 
Voarakitra ao an-danitra ao, izay vitanao

   

                  D5              D5/C#                              D5/B
Fa nandondona ao am-ponao tao ny Tompo nitomany
            D5/F#                            Bm7/G
Renao ve ny antsony hoe mitsangana
           D/F#                 Em                       A                  D5
Tonga aho hamonjy anao, tsy an-tery anie fa mandondona
            D5/C#                     D5/B
Mba vohay re ny fo sao dia tara
      D5/F#                          Bm7/G
Voafetra anie ny ora atsy afara
          Bm                     C             Em              A     
Tonga aho hamonjy anao, hanorina ny hoavinao

  

       G2/C                      G/B
Fa izao aho dia hamoa anao
             G/Bb                      D/A
Omeko anao ny amiko anjakao
     E7/Ab     Gm       D/F#    Bb/F
Inty aho Tompo ô mifona aminao
         Em             D/F#                     G              Ab
Fa nanota aho ka raiso aho ovay ho olom-baovao

 

             Eb5      Eb5/D
Mandondona
             Eb5/C  Eb5/G
Mandondona
          Cm7/Ab   Eb/G
Mandondona
           Cm7/Ab       
Mandondona

                       Bb
O vohay ny fonao...

 

             Eb5     Eb5/D
Mandondona
             Eb5/C    Eb5/G
Mandondona
          Cm7/Ab   Eb/G
Mandondona
           Cm7/Ab      
Mandondona

                         Bb
Tsy an-tery anie fa...


 Eb       Eb/D
O o o o o o o
Eb/C    Eb/G
O o o o o o o
 Ab       Eb/G
O o o o o o o
A
O o o o o o o

 

            Bb         
Hanorina ny hoavinao…
     Eb5
fifaliana
     Eb/D                        Eb5/C
fiadanana ampoko tambitamby   
         Eb5/G                      Cm7/Ab
Haravoana fiainana manan’amby
          Eb/G                     F
No omeko anao dieny izao
                 Bb                         Ab   F    Eb
Honina ao anatinao ho aminao

mardi 21 juin 2016

Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA FJKM Atsimon'Imahamasina (Playlist)

Cliquez un titre pour écouter la version vidéo, la parole et la partition en solfa:

Hoderaina
Injao manako any ho any
Hiaraka Aminy
O! Ry Fireneko
Na inona anefa mihatra

Hoderaina (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!

Tonony sy Feony: RAKOTOARIMALALA Maminirina RajaonaRIVOny
Tompo mahery Ray Tsitoha, misaotra Anao
Fa lehibe ny fitiavanao
Ka dera saotra no atolotray izao
Dera ho Anao, dera ho Anao ry Ray

Tompo mahery Ray Tsitoha, misaotra Anao
Fa lehibe ny fitiavanao
Ka dera saotra no atolotray izao
Dera ho Anao, dera ho Anao ry Ray

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany

Mendrika ny hoderaina Ianao
Ry Tompo sy Mpanjakanay
Anao ny voninahitra mandrakizay
Mandrakizay, Haleloia Amen!

Mendrika ny hoderaina Ianao
Ry Tompo sy Mpanjakanay
Anao ny voninahitra mandrakizay
Mandrakizay, Haleloia Amen!

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany
Ny fitiavany (2)

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Injao manako any ho any (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA )

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!


Tonony sy Feony: NDRATOSON Georges Benjamin
Arrangement: RAKOTOARIMALALA Maminirinaa RajaonaRIVOny

Injao manako any ho any ô
Injao manako any ho any ô
Injao manako any ho any ô
Ny hiran-danitra mamy ô

Injao manako any ho any ô!
Injao manako any ho any ô!
Manonjanonja ato am-poko
Mibitsika ahy tsy hitoloko

Ny feon’anjely sesehena,
Sy olo-maro novonjena
Mireondreona aok’izany
(haleloia hosana)
(haleloia fiderana)
Haleloia hosana

Injao manako any ho any ô!
Injao manako any ho any ô!
Manonjanonja ato am-poko
Mibitsika ahy tsy hitoloko

Ny feon’anjely sesehena,
Sy olo-maro novonjena
Mireondreona aok’izany
(haleloia hosana)
(haleloia fiderana)
Haleloia hosana

Injao manako any ho any ô!
Injao manako any ho any ô!
Manonjanonja ato am-poko
Mibitsika ahy tsy hitoloko

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Hiaraka Aminy (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!


Tonony: RAJAOBELINA Hery-Zo (1991)
Feony: RAKOTOARIMALALA RajaonaRivony (Rivo Kely) (1991)

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Tsy hitako intsony izay teny hilazana izao
Ny hafaliana ao anaty foko ao
Satria inoako fa natolony ahy ny fitiavany
Izaho noraisiny ho havany

Tsy hitako intsony izay teny hilazana izao
Ny hafaliana ao anaty foko ao
Satria inoako fa natolony ahy ny fitiavany
Izaho noraisiny ho havany

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Tsy hiala eo intsony aho sanatria
Fa hiaraka Aminy mandrakizay doria
Ka n'aiza n'aiza misy Azy dia hisy ahy koa
Fantatro f'izay no mahasoa

Tsy hiala eo intsony aho sanatria
Fa hiaraka Aminy mandrakizay doria
Ka n'aiza n'aiza misy Azy dia hisy ahy koa
Fantatro f'izay no mahasoa

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Raiso mba ho Anao
Ny tsantan’ny foko izao
Hankalazana sy ho fiderana Anao
Ny hafa ihany koa, ny vatana sy ny fo
Ny saina sy fanahy afoiko avokoa


Raiso mba ho Anao
Ny tsantan’ny foko izao
Hankalazana sy ho fiderana Anao
Ny hafa ihany koa, ny vatana sy ny fo
Ny saina sy fanahy afoiko avokoa

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny (3)
Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

O! Ry Fireneko (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!






Tonony sy Feony: NDRATOSON Georges Benjamin
Arrangement: RAKOTOARIMALALA Maminirina RajaonaRIVOny

O ! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia variana ô)
O ! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia sondriana ô)
Misy feo manaitra (anao ankehitriny)
Misy feo mitady (anao ry mpivahiny)
ô ô ô, ô ô ô, ô ô ô ry fireneko (ô ô ô)

O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia variana ô)
O ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia sondriana ô)
Feon’Ilay Nahary namolavola sy Mpamonjy mora

(O, ry fireneko, O, ry fireneko)
 Aza dia ianao no, Aza dia ianao no
 Koa aza dia ianao no tsy hanoina
 Ny antson’ny Tompo (x3)

("O! mandrosoa ianao")"O! mandrosoa" (x2),
Hoy ny Tompo"Fa Izaho ihany (x2)
No homba anao hatrany"

O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Mijanona kely)
O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Jesoa no miteny ô) 
Feo manainga indray (hanorim-panekena)
Amin’Ilay Jesosy (lalam-pamonjena)
ô ô ô, ô ô ô, ô ô ô ry fireneko, (ô ô ô )

O ry fireneko,Misy feo miantso ô ô ô (Asa sitrakao)
O ry fireneko, Misy feo miantso ô ô ô (Moa ankafizinao)
Feon’Ilay JESOSY kapiteny soa no hery mampifoha

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Na inona anefa mihatra (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog. Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!



Tonony sy Feony: Jean Charles ANDRIANIRINA
Arrangement: RAKOTOARIMALALA Maminirina RajaonaRIVOny

1.Na sarotr’aza ny lalak’ombana kely sy hety 
 Hisarongitan’ny fefy sy tsilo 
 Ts’isy hombana (hombana) 
 Hantsana miandry ao aloha 
 Ka, misarika mafy ho ao 
 Mila hamingana hamotrak’antsika 
 Sady mandrirotra 

 REF: Na inon’inona anefa mihatra 
 Na inona manjo (na mihatra) 
 Tsy mba ho kivy na ketrak’izany 
 Fa ao ny Tomponao (ao ny Tompo) 
 Jesoa Mpanafaka antsika, 
 Jesoa Mpamonjy antsika 
 Jesoa irery no hany Mpamonjy 
 Raha mafy ny adinao 

 2.Na dia manonja misamboaravoara 
 Ny onjan-drano mila ho fefika, mila ho vaky 
 Ny sambontsika (ny sambo) Maro ny manavo-tena 
 Ka, manala ny vesatra 
 Manipy entana ivelan’ny sambo 
 Ho maivamaivana 

 3.Na mafy aza ny fiainana an-tany Mampitomany 
 Ka, mahatonga ny maro ho kivy 
 Ka dia mamoy fo (fa kivy) 
 Misy ny sasany lasa 
 Ka, manketsy sy mankeroa 
 Lasa mitady ny vato sy hazo 
 Hanafak’azy ao

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

vendredi 14 août 2015

Inona no antenainao (Les Adelines)

Inona no antenainao amin’izao fiainana izao
Hasambarana ve, sa fiadanana koa
Mandalo miserana izany
Matetika aza ny andronao feno alahelo, hakiviana
Very hevitra ianao Ary indro antsoinao Rafahafatesana

Ity fiainana ity, tsy hitondra fiadanana ho anao
Raha ity fiainana ity, famoizam-po no entiny ho anao
Ity fiainana ity, ahiahy sy tahotra no atolony anao
Ity fianiana ity, fahoriana no hasarony anao

Hevitra atoroko anao amin’izao taonanao izao
Tsy mety ny fiainana raha toa ka lavitra an’Andriamanitra
Jesosy maty hamonjy anao, ary hanasitrana anao
Raha toa ekenao izao anio izao Jesosy hanafaka anao

Jesosy Kristy raiso ho anao fa fiainana
Izy Jesosy Kristy hamelombelona ny fonao
Jesosy Kristy hitondra fifaliana, fahafahana ho anao
Jesosy Kristy fiadanana be no entiny ho anao

Jesosy Kristy raiso ho anao fa fiainana Izy
Jesosy Kristy hamelombelona ny fonao
Jesosy Kristy hitondra fifaliana, fahafahana ho anao

Jesosy Kristy fiadanana be no entiny ho anao

mardi 7 juillet 2015

FF 49 – Mifona re ry Ray

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Mifona re ry Ray
Ireto zanakao
 Fa diso izahay
 Tsy mety ny natao

 2. Ny ota sesilany,
Nandramana avokoa
Kanefa re izany Ifonana tokoa

 3. Izay rehetra hita
 Natao fa tsy ho to
Izao ny ratsy vita
Nandrotika ny fo

 4. Ry Jeso ô anio
 Indreto izahay
Manaiky, ka fidio
 Ho zanakao, ry Ray

 5. Tsy tsapanay tokoa
 Ny antranao ry Ray
 Fa hay, ny zava-tsoa
Dia takona aminay !

6. Maniry fahafahana
Izao ‘ty fo madio
Ekeo ny fibebahana
Atolotray anio !

FF 48 – Andriamanitra, Fitiavana Ianao

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Andriamanitra, Fitiavana Ianao
 Ka mihevitra ny momba anay ety
 Raha mifoha maraina izahay
Dia tsy afaka am-bavanay ny hoe
Ampy ho anay ny Fahasoavanao

 Fiv : Raha maraina mibaliaka ny andronay ety
Ianao no masoandro niaviany
 Raha ny alin’ny ririnina no handalo ety
 Ianao no kintana hitantana ny dia
Ka ny vavaka atao
Izay mipololotra am-ponay ao
hoe: lzahay anie hatoky Anao

 2. Andriamanitra, Fitiavana lanao
Ka mitantana ny dianay ety
Raha mandimby ny andro ny alina
 Mbola tokana ny Deranay
hoe : Ampy ho anay ny Fahasoavanao

Raha maraina mibaliaka ny andronay ety, sns…

FF 46 – Mba tantanonao, ry Raiko!

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Mba tantanonao, ry Raiko
Izato làlan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Fa maniry indrindra Anao
Hitanao ny adi-tsaina
Mitambesatra ao an-doha
‘Zany tsikin’ny maraina
Toa ela vao hifoha

 2. Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ! ry Tompo tena tia
Fa ity zavatra iriko
Masina amiko doria

 3. Nefa, raha tsy izay no didy
 Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
 Atolorinao ny hery
 Hampijoro izay nikoa
 Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ao am-po

FF 47 – Fiadanana

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Ianao ‘zay mitady ny fiadanan-tsoa
Amin’izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
Mikorana ary koa milalao
 Kanefa tsy mahita izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy Fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao

 Fiv : Jesosy, Jesosy, (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
 No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
 Jesosy, Jesosy, (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia hohitanao’Lay Fiadanana
Haharitra ho mandrakizay

 2. Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
Amin’izao fiainana izao
 Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
No mandrakotra ny fiainanao
 Ka mila ho kivy sy hamoy fo
 Noho ‘reo adim-piainana maro
Inty misy fiainana atoroko anao

Andramo dia hohitanao Jesosy, Jesosy, sns…

FF 45 – Hira fiderana

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Hira fiderana ho Anao ry Ray
 Tsy afaka ato am-bavako mandrakizay
Hira mampifaly, mampitony jaly
 Mampiravoravo fo

 2. Ny talenta izay efa nomenao ahy
Hiderako Anao n’aiza misy ahy
 Mba hamelon’aina, hampitony saina
Hampiray ny miaina

 3. Hira tsotra ihany, nefa na dia izany
 Ho Anao tokoa no hikaloako
Raiso re, ry Tompo,
 F’io no porofom-pitiavako Anao

 4; Hira avy ato am-poko, indro fa vetsoiko
 Ho Anao ry Raiko izay antsoiko
Hira tena mamy, manambara hatrany
 Fa tena tiako Ianao

FF 44 – Ry Madagasikara soa

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Ry Madagasikara soa
Natolo-Janahary anay
Nosimboahangy manirery
Fa nahasoa ny razanay,
He ! Sarobidy tsara loatra,
Tsy sandana, tsy atakalo
Feno ny fo ka toa mangina
Heriny mivavaka hoe :

 Fiv : Andriamanitra ô ! Tondrahy andon’ny lanitra
 Vontosy ny tsiron’ny tany I Madagasikara !

 2. Ry Firenena Malagasy
Antsoin’ny Nosy hianao
Andeha malaky, mitsangàna
Alao hery, mandrosoa !
‘Zay maha olona anao re
Atolory, asorony Aza mandevina talenta
Fa anondroty Firenena e !

Andriamanitra ô ! sns…

 3. Andriamanitra ambony,
Fenoy ny fiahianao
Ny mponina rehetra eto Ary izay asa mahasoa
Ireo nantsoinao hitondra
Mba tsidiho, mba tariho
Ho sambatra tokoa ny Nosy
Raha Hianao no azy e !

 Andriamanitra ô ! sns…

FF 41 – Jesoa no Mpanavotra

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

O! iza, iza?
Iza no hamonjy ahy
Iza, iza no hamonjy ahy re ?
 Fa rerak’aho e
Fa dia reraka
Milonjy entam-pahotana
Fahotana be

O! manatona, manatona an’i Jesoa
Fa Izy ihany, Izy no hamonjy anao
Fa noreseny, efa noreseny na
Ny fasan’aza dia ny fahafatesana !
Ny fasan’aza ! Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mba mifalia ! mifalia ianao
Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anao

 Ry Jesoa Tompo ô !
Ry Jesosy Tompo ô !
Mba raiso re ny foko
Ho anao izao !
Fa famonjena
Fanavotan-dehibe
Sy avotr’aina koa
No he atolotrao

Fa novonoina ! novonoina Ianao
Hisolo voina mba hisolo voina anay
Fa noresenao Efa noresenao na Ny fasan’aza dia Ny fahafatesana Ny fasan’aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao Ka mifaly re ! Ka mifaly izahay Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anay !

FF 42 – Moa misy va?

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Moa misy va ety, iriko toa Anao ?
Ry Tompo be fitia, Mpanao izao rehetra izao
 Ny foko lasanao, ry Ray Malala ô !
Jereo ty zanakao izao miantoraka Aminao

 2. Moa misy va ety, iriko toa Anao ?
 Jeso sakaiza, avia Hianao hiara-dia izao
 Ny foko tia Anao, oneno, anjakao
Tsy hatakaloko Hianao, “Ry fiainako vaovao”

 3. Moa misy va ety, iriko toa Anao ?
 Fanahy hendry ery, Mpanoro izay rehetra atao
 Ny foko, he ! Anao, Fanahy Masina ô !
 Ny fiainako ovay ho vao, ka hamasinonao

 4. Moa misy va ety, iriko noho Ilay
Nesoina tany Kalvary, ‘Lay Indrafon’ny Ray
 Jeso Malala ô ! Endrey ‘ty vitanao
 Hianao no hetahetako sy hasambarako
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...