Namana/Amis/Friends

mardi 21 juin 2016

Na inona anefa mihatra (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog. Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!



Tonony sy Feony: Jean Charles ANDRIANIRINA
Arrangement: RAKOTOARIMALALA Maminirina RajaonaRIVOny

1.Na sarotr’aza ny lalak’ombana kely sy hety 
 Hisarongitan’ny fefy sy tsilo 
 Ts’isy hombana (hombana) 
 Hantsana miandry ao aloha 
 Ka, misarika mafy ho ao 
 Mila hamingana hamotrak’antsika 
 Sady mandrirotra 

 REF: Na inon’inona anefa mihatra 
 Na inona manjo (na mihatra) 
 Tsy mba ho kivy na ketrak’izany 
 Fa ao ny Tomponao (ao ny Tompo) 
 Jesoa Mpanafaka antsika, 
 Jesoa Mpamonjy antsika 
 Jesoa irery no hany Mpamonjy 
 Raha mafy ny adinao 

 2.Na dia manonja misamboaravoara 
 Ny onjan-drano mila ho fefika, mila ho vaky 
 Ny sambontsika (ny sambo) Maro ny manavo-tena 
 Ka, manala ny vesatra 
 Manipy entana ivelan’ny sambo 
 Ho maivamaivana 

 3.Na mafy aza ny fiainana an-tany Mampitomany 
 Ka, mahatonga ny maro ho kivy 
 Ka dia mamoy fo (fa kivy) 
 Misy ny sasany lasa 
 Ka, manketsy sy mankeroa 
 Lasa mitady ny vato sy hazo 
 Hanafak’azy ao

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...