Namana/Amis/Friends

vendredi 14 août 2015

Inona no antenainao (Les Adelines)

Inona no antenainao amin’izao fiainana izao
Hasambarana ve, sa fiadanana koa
Mandalo miserana izany
Matetika aza ny andronao feno alahelo, hakiviana
Very hevitra ianao Ary indro antsoinao Rafahafatesana

Ity fiainana ity, tsy hitondra fiadanana ho anao
Raha ity fiainana ity, famoizam-po no entiny ho anao
Ity fiainana ity, ahiahy sy tahotra no atolony anao
Ity fianiana ity, fahoriana no hasarony anao

Hevitra atoroko anao amin’izao taonanao izao
Tsy mety ny fiainana raha toa ka lavitra an’Andriamanitra
Jesosy maty hamonjy anao, ary hanasitrana anao
Raha toa ekenao izao anio izao Jesosy hanafaka anao

Jesosy Kristy raiso ho anao fa fiainana
Izy Jesosy Kristy hamelombelona ny fonao
Jesosy Kristy hitondra fifaliana, fahafahana ho anao
Jesosy Kristy fiadanana be no entiny ho anao

Jesosy Kristy raiso ho anao fa fiainana Izy
Jesosy Kristy hamelombelona ny fonao
Jesosy Kristy hitondra fifaliana, fahafahana ho anao

Jesosy Kristy fiadanana be no entiny ho anao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...