Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Hobio. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Hobio. Afficher tous les articles

lundi 14 novembre 2011

Hobio hiran' ny ankizy (Fihirana FFPM)

Ecouter la version audio et voir la parole de:

 Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Ry Jeso sakaizan'ny zaza 788(Hobio hiran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)Ramino
1. Ry Jeso Sakaizan'ny zaza,
Kanefa Mpanjaka malaza,
Midera ny anaranao, re,
Izahay vory eto izao,

Fiv : :,:Ny saotra sy dera aman-daza
No atolotray ho Anao.:,:

2. Ry Jeso malemy fanahy!
Manatona Anao tsy manahy
Ny zaza mivory aty izao,
Ekeo mba ho mponina ary.
Ny saotra sy dera, sns...

3. Fahiny Hianao tonga teto
Nanala ny rofy sy sènto,
Avia mitahy anay re,
Matoky Anao, izahay.
Ny saotra sy dera, sns...

4. Ry Jeso Mpamonjy sy Zoky!
Izay ampy tokoa mba toky,
Mifaly ny manana Anao izao,
Arovy ka aza mandao.
Ny saotra sy dera, sns...

1. Ry Jeso Sakaizan'ny zaza,
Kanefa Mpanjaka malaza,
Midera ny anaranao, re,
Izahay vory eto izao,

Fiv : :,:Ny saotra sy dera aman-daza
No atolotray ho Anao.:,:

2. Ry Jeso malemy fanahy!
Manatona Anao tsy manahy
Ny zaza mivory aty izao,
Ekeo mba ho mponina ary.
Ny saotra sy dera, sns...

3. Fahiny Hianao tonga teto
Nanala ny rofy sy sènto,
Avia mitahy anay re,
Matoky Anao, izahay.
Ny saotra sy dera, sns...

4. Ry Jeso Mpamonjy sy Zoky!
Izay ampy tokoa mba toky,
Mifaly ny manana Anao izao,
Arovy ka aza mandao.
Ny saotra sy dera, sns...

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Ny Teninao Jehovah, izay hianaranay 786(Hobio hiran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Andrianaivoravelona
1. Ny teninao, Jehovah!
Izay ianaranay,
Dia tsara, tsy miova,
Ka ifalianay
He! Tena mananjara,
Izahay ankehitrio,
Fa lova tsara fara,
No azo amin'io.

2. Ireo zaza teo aloha
Dia tsy nahita izao
Tsy nisy hampifoha,
Natory foana tao;
Nahantra sady ory,
Niferina aina koa,
Tsy fantany akory
Izay tena foto-tsoa.

3. Mamiratra indrindra.
Ny masoandronay,
Milanto sy mirindra
Ny antom-piainanay;
Ny teninao ihany
No mahatonga izao,
He! Sambatra ny tany,
Fa mahalala Anao.

4. lrinay mba hihombo
Izay ianaranay,
Ampio koa mba hitombo
Ny saina anananay;
Ho avy zato heny
Ny voan'ny teninao,
Hiely eran-tany
Ny voninahitrao!

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Izay mahakolokolo no manana ny soa 787(Hobio hiran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Andrianaivoravelona
1. Izay mahakolokolo
No manana ny soa,
Zahao ny tanimboly,
Izay fatratra tokoa,
Fa he ireo voninkazo
Mamerovero ao,
Toa nofy izay handazo
Andeha mba jereo.

2. lreo izay mahavatra
Handray ny voka-tsoa,
Ka tena tsy hahantra,
Tsy reraka tokoa;
Jereo ireo taninketsa
Mampanantena voa,
Fa soa tsy manam-petra
Sy hanim-be tokoa.

3. Izahay, ry ray sy reny,
No voninkazo koa,
Hamerovero any
An-tokatrano soa,
Tezao mba hihatsara.
Ny fofo-manitray,
Mba tsy harahin-tsento
Ny toetra anananay.

4. Izahay no toy ny ketsa
Ho vanona tokoa,
Hamoa tsy misy fetra,
Sy tena hahasoa.
Ny fiangonantsika,
Hahita valiny,
Ny fivavahantsika
Handroso hery koa.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Izaho dia zaza malemy, osa fo 801(Hobio hirran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Ramarosandratana
1. Izaho dia zaza
Malemy, osa fo,
Fa na izany aza,
Mba ondrin'i Jeso.

2. Ary an-danitra Izy
Mitsinjo ahy koa,
Satria ny ankizy
Dia tiany tokoa.

3. Anefa koa akaiky
Jesosy mamiko,
Fa Izy dia manaiky
Ho eto amiko.

4. Manafa-tahotra ahy
Ny tsorakazony,
Manaisotra ahiahy
Ny fitiavany.

5. lzao tsy mbola hita
Ny endrik'Izy izay,
Fa raha ary am-pita
Ho tafahaona indray.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...