Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Naly Rakotofiringa. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Naly Rakotofiringa. Afficher tous les articles

mardi 3 avril 2012

Fara-dona (Naly Rakotofiringa)


Injay midona moramora, any an-tsefan-drahona any,
Oram-baratra mijojo, no indro tamy sesilany,
Injay ilay ako fa mirahona, nefa maty vetivety
Kanjo dia misinda mora, any ampara-vodilanitr' any

Lasa ho azy teo ny sento, namisavisa zava-maro,
Vetsovetso tsy hita fetra, nifanjevo, nifangaro
Nitadidy ny efa lasa, ireo malala izay nafoy,
Kanjo ranomaso sisa, potrapotraka nijoy

Hay! tsy inona tsy akory
llay nampivetso tsy hita faritra,
Nitondra amboara nampahory
Sy nahavelom-pisentoana.
Fambara orana ho lany
'zay namela fara-dona,
Zary nampifendrofendro
Soa ihany tsy naharitra.

mardi 13 mars 2012

Nosy tanindrazako (Naly Rakotofiringa)



Nosy tanindrazako
Izay navelan'ny razako
Afoiko ho anao ny rako
Ry Madagasikarako

"Ranomasina no valam-parihy"
Mamefy ny foko rehetra hifankatia
Tsy hampisaraka ny Malagasy miaraka

Andriamanitra ô! Mitahia
'Ty taninay ity
Tany izay nomenao ho anay
Lovan'ny taranakay
Madagasikara ho an'ny malagasy
Malagasy kosa ho an'i Madagasikara
O! l’île, terre de mes ancêtres
Héritage de mes ancêtres
Je t’offre mon sang
« Mon » Madagascar

« La mer limite la frontière »
Qui entoure le peuple dans la solidarité
Afin que l’unité Malgache ne se divise guère

O ! Dieu bénit
Notre terre
Terre que tu nous a léguée
En héritage pour nos descendants
Madagascar pour les Malgaches
Et les Malgaches pour Madagascar

mardi 28 février 2012

Ny lalana mody (Ossy)


A/C: Naly Rakotofiringa
Eny tiako loatra eny izany
Ny mandeha amin’ny làlana mody
Toa hitako sahady hatrany hatrany
Ny hafaliana rehefa tody
Miandry izao izay rehetra tiana
Ho tanteraka izao ny zava-niriana

Eny toa adino sahady
Ilay nialana saika nahatamana
Ho tsaroako ianao sy hanaovako voady
Ry ilay toerana, ry ilay tanàna
Tanàna tsy ho afaka an-tsaiko
Na oviana na oviana, ny hanadino tsy ho haiko

Midobodoboka sahady ny foko
Izay jereko rehetra toa miova loko
Ny masoko ve no mandroroa
Sa ahoana tokoa ?
Fa mitebitebim-pifaliana
Mampiova mahavariana ...

lundi 12 décembre 2011

Noely, fahiny indray andro izay(Naly Rakotofiringa zanany)



Fahiny...indray andro izay
Nisy feon'anjely marobe
NIhira hoe, nilaza hoe:
"Tonga ny Mesia, mifalia"

Oooo.....

Tsy tany an-dapasoa
Na toera-manan-daza koa
No nahaterahan'ilay
Tompo be fitia
Fa tao an-tranon'omby
No teraka i Kristy

Noely, noely
Mihoby anao ny anjely
Ny ety an-tany mankalaza anao
Ry noely
Noely, noely
Mihoby anao ny anjely
Anio no andro fanavotana
...Noely...

Tonga ny Krismasy
Ry Malagasy
Zao tontolo izao
Miara-paly aminao(3)
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...