Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Raklio. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Raklio. Afficher tous les articles

mardi 8 novembre 2011

Bodo (Ny Rahona, Raklio)





Bodo a, toa mangingina ny eto
Toa mampisento foana
Bodo a, rehefa tsy ao ianao

Hono hoy aho, na mirana aza ny andro
Toa mamanala foana
Hono hoy aho, rehefa tsy ao ianao

Nino ihany aho fa hoe
Mbola hiverina eto ianao
Eny hoy aho, hono hoy aho

Bodo a, mandatsa tena sisa
Tanala very sampy
Bodo a, rehefa tsy ao ianao

Nino ihany aho fa hoe
Mbola hiverina eto ianao
Eny hoy aho, hono hoy aho

Bodo a, angamba hiova ny eto
Hanjary ho fifaliana
Bodo a, rehefa ho eo ianao (3)

Ny Rahona, Raklio

Voir les paroles de:
Isaorana Ledada nanome ny raki-kira.

Amorom-patana (Ny Rahona, Raklio)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny rahona, Raklio,

Mitakoko amorom-patana eo ianao
Mikalo manaraka feom-baliha
Miezaka mafy hatrany hatrany ianao
Hameno ilay banga eo anilanao

Efa nandramanao avokoa
Ireo fomba izay azonao natao
Modianao adala aza indraindray
Raha misy mampatsiahy ireo lasanao

Dia narindrinao ny varavaranao
Fa tsy tantinao ny mihaino adrisa
Ou ou ou ou ...

Inianao ahiratra ny masonao
Mba tsy hatorianao ka hanofisanao indray
Tsy metyizy fa manarangarana
Mitazana ny any ivelany

 Dia narindrinao ny varavaranao
Fa tsy tantinao ny mihaino adrisa
Dia narindrinao ny varavaranao
Fa ny fonao kosa mbola miandry ihany
Ny fitiavano manantena hatrany

Lalalalalala.........

Hay ve (Ny Rahona, Raklio)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Rahona.

Hay ve naleonao nikipy!
 Tsy mijery akory ny endriny efa maloka
.Hay ve tsy vitanao akory
Na ny nilaza tsotra aza fa manenina ahy ianao.

 Marina, fa mbola tia azy ianao
 Marina, fa mety ho tiany ianao
 Saingy ny ratsy tsy kely lalana
 Ka zary simba tsy satry ny fitiavanareo.

 Hay ve izay no vitanao
 Mody ny masoandro
 Vita ny aminareo.

 Marina, fa mbola tia azy ianao
 Marina, fa mety ho tiany ianao
 Saingy ny ratsy tsy kely lalana
 Ka zary simba tsy satry ny fitiavanareo.

 Hay ve izay no vitanao
 Mody ny masoandro
 Vita ny aminareo.

Mmmm...
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...