Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Troupah. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Troupah. Afficher tous les articles

vendredi 10 février 2012

Andraso aho

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Troupah.



Andraso aho ry malala fa ho avy
Tsy ho ela dia hifanatri-tava
Toa mijaly koa e raha lavitra anao
Aza adino ny taratasy mandra-pihaona

Ny sarinao satry ho am-poko ao
Ny vatanao manontolo no toa hiseho
Mandra-maraina no hitiavako anao
Ny fitia toy ny ketsa maniry raha afindra

Tonga any aho hoy aho na aiza na aiza misy anao
Fa mbola ianao no mamin'ny foko hatramin'izay
Tonga mba hamonjy ny akany tiana
Izany angamba no mety hitondra ny hafaliako

Nirina

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Troupah.

Nirina ô, ianao no iainako eto an-tany
Tsy misy handrara amin'izany
Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Nirina ô, ny olon'irery hono tsy mba tsara
Ka raha mba manana ho ambara
Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Rahoviana indray no hihaona
Tsy tafandry aho isan'alina
Sasa-poana e... Nirina ô...
Mitady anao

Nirina ô, iriako ianao mba ho eto anilako
Mba tanteraho ny sitrapoko

Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Troupah

Ecouter la version audio et voir la parole de:
Nirina
Andraso aho
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...