Namana/Amis/Friends

vendredi 17 février 2012

Zovy no hiara-dia(Fihirana315, Imprimerie Adventiste)


Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Zovy no hiara-dia
Mba ho ao an-danitra fonenantsoa
Namboarin'i Jesosy Zoky tia
Zanak'Andriamanitra?
Raha izao tontolo izao dia mamitaka anao
Koa saino sy banjino 'lay Salema
Lapan'Andriamanitra

2. Ireo rendrarendran-tany
Izay mazàna tena manodoka anao
Dia fandrika velarin'i Satana
Hamitahana anao
Ka aza dia variana fa mandalo ny ety
Tsy ankoso-bolamena 'lay Salema
Vonona hidiranao

3. Moa tea fanirianao
Ny ho ankohona'Andriamanitra?
Mibebaha ary 'zao ankehitriny
Mba handraisany anao
Ndrao dia tonga tampoka ny fahafaatesana
Ka ianao vesaran-keloka tsy zaka
Tsy hisy hivalozana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...