Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Bessa. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Bessa. Afficher tous les articles

jeudi 22 décembre 2011

Noël! Noël! (Bessa)



Noël, Noël ! isan-taona dia injao !
Noël, Noël ! tsianjery no atao
Noël, Noël ! tonta ve sa vaovao ?

Noël, Noël ! efa mila tsy ho re !
Noël, Noël ! ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël ! fiadanana anie !

Minia mikimpy avokoa izao tontolo izao
Ka ny Noely zary andron'ny manan-katao
Hodian-tsy hita ve ireo mahantra marobe
Izany no Noely ve ?

Mamonjy tavan'andro ireo mpihatsara ivelantsihy
Ka mody avela kely aloha ny zera baomba ary
Fa rahampitso dia tohizana indray
Ny fomba ratsy hatrizay


Noël, Noël ! isan-taona dia injao !
Noël, Noël ! tsianjery no atao
Noël, Noël ! tonta ve sa vaovao ?

Noël, Noël ! efa mila tsy ho re !
Noël, Noël ! ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël ! fiadanana anie !

Fa miofy akondro vava*  kosa ireo kamboty Ray
Fadiranovana hatrany, tsy misy mpandray
Ny maso foana no apitrapitrany eo
Toa miantsoantso hoe : "Vonjeo !"

'Lay Famonjena nodradraina hatry ny elabe
Moa azonay mba antenaina, rahoviana re?
Sa ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay
Fa tsy mba ondriny izahay

Noël, Noël ! ankehitriny fantatrao
Noël, Noël ! izay tokony hatao
Noël, Noël ! ho an''ny rahalahinao
Noël, Noël ! mba meteza ianao handre !
Noël, Noël ! ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël ! "Fiadanana anie !"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël!...

*miofy akondro vava=fadiranovana, mahantra indrindra

mercredi 21 décembre 2011

Jesôsy ô, mino zahay(Bessa)



Jesôsy ô, mino zahay(2)
Fa tsy hanao zara vilana
Na hijery mitongilana
No nidinanao
Taona maro lasa izay

Ka ny fotsy satria fotsy
Dia notoloranao harena
Hanamparany ny heriny(2)
Fa ny mainty satria mainty
Dia mangataka zay vao omena
Kely ihany fandrao dia toheriny
Ny tsy fitovian-jo

Na ry zareo ato atsimo
Dia ataonao be ambim-bava
Hisehoana sy hizahozahoana
Aminay ato avaratra
Zay mandry fotsy lava
Fa tsy misy ny atokona
Kanefa tena noana
Sy kepaka tokoa

 Jesôsy ô mino zahay(2)
Fa tsy izany velively
No nidinanao tety
Ka ny Noelinay
Enga anie mba ho Noely
Feno hasambarana
Satria isam-baravarana
Tianao hahafantarana
Fa mitovy izahay ety
Fa mitovy
Mitovy izahay(2)
Izahay ety
Amen!

lundi 12 décembre 2011

Andro malaza(Bessa)





1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso:
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa
Mba hampiseho fihavanana,

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

2.Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoko Azy koa.
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:
Mifalia, sns…

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anie:
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:
Mifalia, sns…

mercredi 5 octobre 2011

Ny Andriamanitra inoako




Ny Andriamanitra inoako,
Andriamanitra Fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko,
Tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoako
Antra sady onena
Ka ny olon-drehetra mahazo Azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no FITIAVANA

Ny Andriamanitra inoako
Tompon'ny fahendrena
Te hanova izay ratsy mba ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako
Andriamanitra Fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no FITIAVANA

Ny Andriamanitra inoako
Andriamanitra Fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no FITIAVANA


Le Dieu en qui je crois
Est le Dieu Amour
Ce n'est pas un Dieu méchant qui punit
Ce n'est pas un Dieu d'un parti
Ni un Dieu raciste
La richesse et la nationalité ne Lui importe guère
Mais le Dieu en qui je crois
Est compatissant et miséricordieux
Il est pour tout le monde
Loin d'être un semeur de chagrin, encore moins infernal
mais Il est AMOUR

Le Dieu en qui je crois
Détient la sagesse
Il aime convertir le mal en bien
Il n'est pas cruel ni un révolutionnaire
Mais corrige sans cesse les rebelles de ce monde
Le Dieu en qui je crois
Est un Dieu Amour
N'attend aucun échange mais qui partage
Accepter son offre fait sa seule victoire
Car Il est AMOUR

Le Dieu en qui je crois
Est un Dieu Amour
N'attend aucun échange mais qui partage
Accepter son offre fait sa seule victoire
Car Il est AMOUR




Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...