Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Ny Feon'ny faminaniana. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Ny Feon'ny faminaniana. Afficher tous les articles

vendredi 30 décembre 2011

Raha re ny feon'i Jesoa Tia(Fihirana Advantista 316)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
Raha re ny feon'i Jeso tia
Miantso hoe " ô! aiza moa ianao
Ry mpanota very mamalia
Fandrao dia hangina Izy izao

REFRAIN
Anio misy famonjena
Voavoatra ka atolotra
Anio nefa tsy terena
Fidionao ka Kristy re ekena

Raha re fa Izy 'njao mandona
Ao am-po maniry hiditra ao
Ry mpanota, Izy anie mifona
Miandry mafy hampidirinao

Mbola re kanefa vetivety
Dia hangina lasan-davitra
Ry mpanota, anio no andro mety
Rahampitso dia tsy fantatra

jeudi 29 décembre 2011

Vohay ny fo(Fihirana Advantista 701)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
Vohay ny fo(2)
Vohay ka mba ampandrosoy Jesoa
Raha lavinao tsy raisinao
Ho lasa Izy ka ho neninao
Raiso Jesoa, Raiso Izy zao
Heveronao ny fijaliany
Vohay ny fo(2)
Vohay ka mba ampandrosoy Jesoa

Vohay ny fo(2)
Vohay Jesoa ka mba ampandrosoy Jesoa
Maniry izao hanampy anao
Hahazo ny fiainam-baovao
Faingàna re milaza hoe
"Midira ry Mpamonjy tiako"
O! mandrosoa, ka anjakao
Ny fonay mba ho lapanao tokoa

Vohay ny fo(2)
Vohay ka mba ampandrosoy Jesoa
Raha lavinao tsy raisinao
Ho lasa Izy ka ho neninao

Fa izahay Jesoa handray Anao

Tsy ho ela dia hisava avokoa(Fihirana Advantista 156)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Tsy ho ela dia hisava avokoa
Ny fahoriana ety
Vetivety dia hiposaka tokoa
Lay Masoandro dia Kristy
Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po
Ato am-poko ny hazavana tsy voafetra tokoa
Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria

2. Tsy ho ela dia ho afaka avokoa
Ny mavesatra ety
Fa hiseho ho eo an-danitra tokoa
Lay Mpisolo dia Kristy
Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po
Ao am-po ny fitsaharan-tsy voafetra tokoa

Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria

3. Tsy ho ela dia ho resy avokoa
Ny ota mamely ety
Ka ny gadra dia ho tapaka tokoa
Raha avy indray Kristy
Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po

Ao am-po ny fitsaharan-tsy voafetra tokoa

Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria

4. Tsy ho ela dia ho tony avokoa
Ny rivotra mafy ety
Ka reo onja dia hitsahatra tokoa
Hotenenin'i Kristy

Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po

Ao am-po ny fiadanan-tsy voafetra tokoa

Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria

Jiro mazava(Fihirana Advantista 186)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1.Jiro mazava eny an-dalan-tery
Ny Teninao ry Ray an-danitra
Mitarika ny dian'ny olombery
Ho ao an-tany mahafinaritra

Ref:
Sitrako indrindra ny hamaky 'zany
Hanaraka ny toro-heviny
Hampiely koa ny fahazavany
Sy hanambara izao ny heriny

2. Fandrika maro no mivelatra eny
An-dalana izay diaviko
Nefa matoky f'indro re ny Teny
Dia mitsilo ny finoako

3. Raha mamely re ny fahoriana
Ka kivy sady ketraka ny fo
Ny Teninao mitory fifaliana
Mitondra fiononana tokoa

4. Mandroso isan'andro izao ny diako
Manitsy ilay Kanana ambony ao
Ny fahazavana hany itokiako
Tompo malala dia ny Teninao

Fiadanana feno (Fihirana Advantista 657)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 Haldor Sillenas/Rajoelison
 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Fiadanana  feno no omen'i Jesoa zao
Loharano zay tsy mba ho ritra
Fa voavela avokoa, voasasa tokoa
Ny ota maro zay efa natao

Fiadanana tsy ho lany
Raisiko amin'y rany
Tsy tratry ny saina
Tsy hay tantaraina
Na ety na rahatrizay

2. Fiadanana feno no omen'i Jesoa zao
Na dia be ny mahory mahazo
Fiarovana mafy na mamely ny rafy
Ka mivonona mba hanindao

3. Fiadanana feno no omen'i Jesoa zao
Ao an-dala-mahana sy ety
Toy ny andro maraina
Zay mamelona aina
Sy manolotra hery vaovao

4. Fiadanana feno no omen'i Jesoa zao
Ho aao koa ry olo-mahantra
Kristy re no fidio
O, ekeo Izy anio
Dia ho sambatra koa ianao
Fiadanana sy ho lany
Raisina amin'ny rany
Antsika rehetra
Fa tsy misy fetra
Dieny ety sy rahatrizay
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...