Namana/Amis/Friends

mercredi 29 février 2012

Tsy hita izay androko sisa aty 564

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Tsy hita izay androko sisa aty,
Ahiko fandrao tsy tonga ary,
Ry fanahiko! Ao ny Mpamonjy anao,
He! Jeso, Mparnonjy anao.(in-3)
Ry fanahiko! Ao ny Mpamonjy anao,
He! Jeso Mpamonjy anao.

2. Izaho anefa tamàna aty ;
Tsy hiomana va, fa hifindra ary?
Fa efa fantatro izao, fa havela ity,
He! Lanitra soa ary. (in-3)
Fa efa fantatro izao fa havela ity,
He! Lanitra soa ary.

3. Ilaozy ity, hadinoy, ry fo!
Afoizo izao, ry fanahiko ô!
Fa efa reko ny Tompo
Miantso anao,
He! Feo mahafaly izao. (in-3)
Fa efa reko ny Tompo
Miantso anao,
He! Feo mahafaly izao.
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Ry Jeso ô jereo 410

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Ry Jeso ô! Jereo
'Ndrao maty, Ka vonjeo;
Ry Kristy, Vonivatonay!
Mba raiso izahay.
Mahantra izahay.
Ka ory ny fonay;
Ry Tompo be fiantra ô!
Mba miantrà anay.

2. Mpanavotra ô! Jereo,
'Ndrao very, ka vonjeo;
Ry Kristy, Orimbatonay!
Avoty izahay.
Mpanota izahay,
Maloto ny fonay;
Ry Zanak'Andriamanitra ô!
Vonoy ny otanay.

3. Mpanjaka ô! Jereo
'Ndrao lavo, ka vonjeo;
Ry Kristy, Harambatonay!
Arovy izahay.
Malemy izahay;
Ry Tomponay mahery ô!
Tantano izahay.
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Raiso ho Anao ny foko 443

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jehovah Raiko ô!
Mitoera aty am-poko
Mba ho tompon-trano ao,
:,: O, ry Raiko! O, ry Raiko!
Mitoera ao izao :,:

2. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jesosy Tompo ô!
Tsy mba vola, fa ny foko,
No atolotro Anao:
:,: Raiso, Tompo! Raiso, Tompo!
Fa fanati-tsitrapo. :,:

3. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Fanahy Masina ô!
Hazavao ny ao am-poko,
Diovy ho tempolinao:
:,: Indro, raiso ! Indro, raiso !
Itokany ho Anao. :,:

4. Tsy arindriko ny foko,
Fa vohako ho Anao;
Ka midira aty am-poko,
Manjakà irery ao;
:,: Eny, Tompo! Eny, Tompo!
Raiso aho ho Anao. :,:
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Raha misy mampahory 571

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Raha misy rnampahory,
Indro, Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory,
Aza kivy hianao.
Raha rava ny harena,
Ka ho mafy ny manjo,
Mbola misy famonjena,
Aza mety kivy fo.

Fiv : Raha misy mampahory,
Indro Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory
Aza kivy hianao.

2. Raha misy ady mafy,
Indro Kristy herinao ;
Raha avy ny mpandrafy,
Raiso koa ny sabatrao.
Raha tamy hanangoly
Ilay fahavalonao,
Ka mandrobo ny devoly,
Mba aingao ny vavakao.
Raha misy, sns...

3. Na marary mafy aza
Ka mangirifiry ao,
Ary na ho faty aza
Ka handao ny havanao,
Mbola misy antenaina,
Indro, Jeso avotrao ;
Famonjena avotr'aina,
Indro, raiso ho anao.
Raha misy, sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Raha mangoraka ny fo 375

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Raha mangoraka ny fo
Ao ny Ray be indrafo;
He! Antsoiny hianao,
Maa tsy hody va izao?

Fiv : :,: O! modia, O! modia,
Fa miandry Kristy 'zao.:,:

2. Miverena ankehitrio,
Tsy ampitso, fa anio;
Aza mba manary dia,
Fa modia anio, modia
O! modia sns...

3. Izay rehetra maminao
Tsy hahafa-po anao:
Jeso no anjara soa
Hiadananao tokoa,
O! modia sns...

4. Manatòna, matokia,
Mandrosoa, mifalia;
Kristy no fiainanao
Sady voninahitrao
O! modia sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Ny andronay mandalo 743

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Ny andronay mandalo,
Lany foana taminay;
Ny mandrakizay nohatoninay,
Nefa adala izahay,
Ry Mpanota, ifony ny helokao.
Fa Jeso tia anao.
Mba tsy ho very mandrakizay,
Avoty ny ainao.

2. Ny fiadanan-dratsy
No mba manadala anay
Hijanona foana aty izao
Hanadino ny Rainay.
Mba hevero fa olon-ko fatye!
Tsy ela no ety;
Tsarovinao fa hody tokoa;
Antsoiny hianao.

3. Ny taninay havela,
Mpivahiny izahay;
Tsy maintsy hiainga hiala aty,
Any no hodianay.
Tsara sady mazava ny tranonao,
Miomàna, fa hankao;
Tazano, fa mivoha izao:
Midira hianao.
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Njay reko Tompo ô 449

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. 'Njay reko Tompo ô!
'Njay re ny feonao
Miantso ahy Hianao
hankany Kalvary;

Fiv : Tompo lehibe!
Raiso aho e;
Mba sasao ny ranao soa
Izay tao Kalvary.

2. Malemy aho e,
Ka mitaraina hoe:
Vonjeo ny aiko Tompo ô!
Vonjeo ny olonao:
Tompo lehibe! Sns

3. Ny fiadanam-po
Mandresy ny manjo;
Esorinao ny tahotro,
Ry Tompo ô vonjeo:
Tompo lehibe! sns...

4. Mpanota tsy mandà,
Ry Tompo! mamelà;
Ny fahotako lehibe
lfonako tokoa:
Tompo lehibe! sns...

5. Ny foko tsy madio
Mba diovinao, anio;
Maloto aho, Tompo ô!
Sasao ho voadio:
Tompo lehibe! sns...

6. Ny foko no sasao,
Ka diovinao izao;
Ny fahotako marobe
Levony avokoa:
Tompo lehibe! sns...

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Iriko e ry Jeso hitovy Aminao 472

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Iriko e, ry Jeso!
Hitovy aminao
lzay tsy manan-keloka,
Fa masina tokoa,
Iriko e, ry Jeso!
Ho tonga toa Anao,
Namonjy sy nanafaka
Fanahy, aina koa.

2. lriko, ry Mpamonjy!
Mba ho sakaizanao,
Hiaraka ory aminao
Ka tsy handao Anao;
Iriko, ry Mpamonjy!
Hanara-dia Anao;
Ny hazo fijaliana
Ho entiko izao.

3. lriko, ry Mpandresy!
Hiaraka aminao,
Ho eo an-toby lehibe,
Ho miaramilanao;
Iriko, ry Mpandresyl
Hanaraka Anao,
Mitondra ny fanevanao,
Handray ny herinao.

4. lriko, ry Mpanjaka!
Ho ao an-dapanao
Hiara-paly aminao,
Fa tonga zanakao;
lriko, ry Mpanjaka
Ho eo anilanao
Handray ny lova atolotrao,
Mpanjaka be fitia!
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Hianao Jehovah Tompo no hatoniko 609

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Hianao Jehovah Tompo!
No hatoninay izao;
Avy izahay hanompo
Sy hanao ny sitrakao,
:,:Indro raiso,
Raiso ho Anao izahay.:,:

2. Mba tantano sy arovy,
Fa malemy izahay,
He! Marary sy farofy,
Hianao no herinay,
:,:Ody aina
Hitsaboanao anay.:,:

3. Mpivahiny ka mahantra,
Entonao, Fanahy ô!
Ana sy mangetaheta,
Asehoy ny antranao;
:,:Ranon'aina
Hosotroinay izao.:,:

4. Tranonao madio no any,
Vorodamba no anay,
Fa hilaozanay ny tany,
Ka soloy ny lambanay,
:,:Lamba fotsy
Hitafianay anie.:,:

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

He tonga ho antsika 45

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. He, tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo
Mpamonjy, havantsika,
Ilay mamindra fo
Andeha mba hifaly
Isika ry zareo
Nahazo Mpampifaly,
Ka manandrata feo!

2. Hajao ny Tompontsika
Mpanjaka lehibe,
Andriamanintsika,
Mpanala rofy be;
Avia mba hidera,
Ry mino tsara fo!
Avia manatera
Ny saotra ao am-po,

3. Ry Tompo, Zanahary!
Mihira izahay,
Fa teny mahafaly
No tonga ho anay;
Ny andro famonjena
No andro sitrakay;
Fanahy manatena
No ifalianay.

4. Ry Tomponay! Mandraisa
Ny haja entinay;
Tsy volamena anefa,
fa saotra aterinay;
Ry Jeso Tompo soa!
Isaoranay Hianao,
Fa lehibe tokoa
Ny fitiavanao.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Fanavaozana izay mahagaga tokoa 487

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Fanavaozan'izay mahagaga tokoa
Nomen'i Jeso ahy re,
Fahazavan'ny fanahy izay mahafa po
Nomen'i Jeso ahy re,

Fiv : :,:Hatramin'izao dia endrey :,:
Ny fitepon'ny foko izay ravo tokoa
Onenan'ny Tompo Jeso.

2. Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao
Eny, ny fahotako, izay nahavoa
Voasasany koa izao.
Hatramin'izao, sns...

3. Ny finoako, ny fanantenako diabe,
Ny tokiko fatratra koa,
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa.
Hatramin'izao, sns...

4. Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re!
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary
Mankao an-tanan-dehibe.
Hatramin'izao, sns...

5. Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin'izao
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao.
Hatramin'izao, sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Endrey ny hamaroan'ny soa 537

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)

1. Endrey, ny hamaroan'ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.

Fiv : Eny, Raiko,
Eny fa! ravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.

2. He, azoko tokoa jeso,
Ilay perla soa, madio sy vao;
Ny zava-tsoan'ny tany re
Dia tsy ahoako tokoa.
Eny, Raiko, sns...

3. Ny vavako dia tsy mahay
Hamisavisa izao ry Ray;
Ny fanomezan-dehibe
Dia tsy voatonoko koa.
Eny, Raiko, sns...

4. Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.
Eny, Raiko, sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Ao ny lanitra tsara tokoa 684

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Ao ny lanitra tsara tokoa
Izay fonenana mandrakizay
Tany be hasambarana koa
Ao isika hihaona indray

Ref:
Mifalia, mihobia
Fa ao isika mihaona indray

2. Ao ny lova izay mamin'ny fo
Sy fiainana mandrakizay
Voninahitra tsy mba ho lo
Ao isika hihaona indray

3. Ao ny Ray loharanon'ny soa
Hovantanina rahatrizay
Izay hampiditra hoe "mandrosoa"
Ao isika hihaona indray

4. Ao ny Zanaka be indrafo
Izay nijaly taty fahizay
Nefa tsy mba nahita ny lo
Fa efa velona mandrakizay

5. Ny Fanahin'ny Ray ao tokoa
Izay mitarika antsika izao
Sy mananatra antsika ho soa
No mitondra antsika hankao

6. Matokia, miravoa, mifalia
Fa azontsika ny lapan'ny Ray
Miderà, mihirà, mihobia
Fiadanana mandrakizay
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Fihirana Protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

Ecouter la version audio et voir la parole de:

mardi 28 février 2012

Ny lalana mody (Ossy)


A/C: Naly Rakotofiringa
Eny tiako loatra eny izany
Ny mandeha amin’ny làlana mody
Toa hitako sahady hatrany hatrany
Ny hafaliana rehefa tody
Miandry izao izay rehetra tiana
Ho tanteraka izao ny zava-niriana

Eny toa adino sahady
Ilay nialana saika nahatamana
Ho tsaroako ianao sy hanaovako voady
Ry ilay toerana, ry ilay tanàna
Tanàna tsy ho afaka an-tsaiko
Na oviana na oviana, ny hanadino tsy ho haiko

Midobodoboka sahady ny foko
Izay jereko rehetra toa miova loko
Ny masoko ve no mandroroa
Sa ahoana tokoa ?
Fa mitebitebim-pifaliana
Mampiova mahavariana ...

lundi 27 février 2012

Ambarao ry takariva (Randrianarivelo)


Ambarao ry takariva, ô ry takarivam-pahanginana
Ny habakabakao no satriko hanidinana
Sao mba tsinjoko any ho any ilay tiako sady havako
Ilay naniingotra ny foko sy fitiavako
Ambarao(3) ô ry kintana irony
Sao ny foko manina, tia hoy aho no tsy tsaroany

Aiza ny elatrao ry rahona mba ho hindramiko
Hikatsahako ilay tiako sady mamiko
Satriko aza eo anilany ny tenako
Ka ny tany hahafatesany no hilevenako

Ampidino eto anio

Cliquez ici pour voir et télécharger gratuitement la partition en solfa de ce morceau.


1. Ampidino eto anio ny herinao Ray ô
Henoy ny vavakay avy ao am-po
Trotroinay Aminao Ka mba jereo
’Reto zanakao

Ref:
(1e)
Henoy ny vavakay, Ka valio izahay

Ka ambany elatrao, no hialofany
Raha sendra ny manjo
(2e)

N’aiza n’aiza aleha hiambin’azy Ianao
Satria fantatray fa tia azy Ianao
Ka ambany elatrao, no hialofany
Raha sendra ny ady sarotra

(3e, 4è )
Hinoanay fa hitarik’azy Ianao
N’aiza n’aiza aleha hiambin’azy Ianao
Satria fantatray fa tia azy Ianao
Ka ambany elatrao, no hialofany
Raha sendra ny manjo

2. Irinay koa ny fahasoavanao Ray ô
Tsy hisaraka aminy n'aiza aleha
Fa hamirapiratra ho hitany
F'eo anilany Ianao

3. Aza avela irery ireo Ray ô
Aza ilaozanao f'efa Anao
Ny asa ataony anie mba hombanao
Hiderany Anao

vendredi 17 février 2012

Zovy no hiara-dia(Fihirana315, Imprimerie Adventiste)


Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Zovy no hiara-dia
Mba ho ao an-danitra fonenantsoa
Namboarin'i Jesosy Zoky tia
Zanak'Andriamanitra?
Raha izao tontolo izao dia mamitaka anao
Koa saino sy banjino 'lay Salema
Lapan'Andriamanitra

2. Ireo rendrarendran-tany
Izay mazàna tena manodoka anao
Dia fandrika velarin'i Satana
Hamitahana anao
Ka aza dia variana fa mandalo ny ety
Tsy ankoso-bolamena 'lay Salema
Vonona hidiranao

3. Moa tea fanirianao
Ny ho ankohona'Andriamanitra?
Mibebaha ary 'zao ankehitriny
Mba handraisany anao
Ndrao dia tonga tampoka ny fahafaatesana
Ka ianao vesaran-keloka tsy zaka
Tsy hisy hivalozana

Sambatra izay mitoetra(Fihirana 735, Imprimerie Adventiste)

Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau.

Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
Fa sambatra izay mitoetra
Ao an-tranon'ny avo indrindra
Ao an-tranon'i Jehovah
Sambatra izay manan-kery
Ao am-pony
Manan-kery avy aminao
Andriamanitra ô


Sambatra izay mitoetra
Ao an-tranon'ny avo indrindra
Hidera anao(2) mandrakariva
Hidera Anao

Sambatra izay manan-kery
Manan-kery avy aminao ry Avo indrindra

Sambatra izay mitoetra
Ao amin'ny avo indrindra
Ho masoandrony Ianao
Ho Mpiaro azy
Sady ho ampingany koa

Ho masoandrony Ianao
Ho Mpiaro azy
Sady ho ampingany koa

Ry Tompo
Andriamanitra ô jereo
Jereo ry Tompo zay voahosotrao
Andriamanitra ô jereo izay voahosotrao

Ho masoandrony sy ampingany Ianao
Fa sambatra izay mitoetra
Ao amin'y avo indrindra
Fa sambatra izay mitoetra
Ao amin'ny avo indrindra


Ry Tompo
Andriamanitra ô jereo
Jereo ry Tompo zay voahosotrao
Andriamanitra ô jereo izay voahosotrao

Reraka tao an'efitry ny ota(Fihirana 331, Imprimerie Adventiste)

Cliquez ici pour voir et télécharger la partition en solfa.

Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Reraka tao an'efitry ny ota aho
Ka tsy nahita fahafaham-po
Nefa teo amin'i Kristy indray andro
Nisy ranon'aina niboika soa

Ref:
Eo am-pisotroana io rano io
Sambatra aho re, tena afa-po tokoa
Misotro  ilay ranon'aina soa
O! mahagaga io ranon'aina io

2. Mamy ny rano omen'Andriamanitra
Dia ny famonjena avy ao Ziona
Ahitam-pitahiana, voninahitra
Ary koa toky fiononana

3. Ry mpanota ô, hatony anio Kalvary
Ao misy rano 'zay mahafa-po
Avotry ny Mpamonjy maty tety
Ka omena anao an-kitsim-po

O! ny tananao Tompo tia(Fihirana 386, Imprimerie Adventiste)


Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. O! ny tananao Tompo tia
Tanana izay tena tia
No namonjy tamin'ny ota
Nanavotra ny fiainako

Ref:
Io tananao io no namonjena ahy
Fanasitranana ahy ianao
Tompo ô, Tompo ô
O! ny tananao
Ho avy hisintona ahy izao

2. Jeso Tompo ô, Jeso tia
Aoka re ny tananao
No hanosotra ahy hatrany
Mba hiderko ny anaranao

jeudi 16 février 2012

Mpivahiny nanjenjena aho(Fihirana482, Imprimerie Adventiste)


Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Mpivahiny najenjena aho
Tsy nahita ny lalan-kaleha
Efa reraka ka nitalaho
Soa ihany Jeso fa nandre

Ref
Fahasoavana, famindram-po
No hanaraka ahy amin'ny andro rehetra iainako

Fahasoavana, famindram-po
No hanaraka ahy amin'ny andro iainako tokoa

2. Nofenoiny ny herim-panahy
Novokisany hafaliam-po
Ny fiainako ka tsy manahy
Fa matoky ny Mpamonjiko

3. Raha mamaky ny lohasaha
Aloky nny fahafatesana aho
Tsy matahotra ny loza aho
Fa Jesosy eo anilako

4. Raha tonga 'lay andro malaza
Hisehoan'ny tompo tia
Dia ho faly ny foko hilaza
Fa tanteraka soa ny dia

Misy toerana mamin'ny foko( Fihirana 209, Imprimerie Adventise)



Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Misy toerana mamin'ny foko
Tsy hohadinoiko mandrakizay
Fiangonana soa ka koloiko
Tsy hafoiko fa tranon'ny Ray

Ref
Koa andeha re ho ao ianao
Hasaiko ianao mba handroso
Hamangy ny fiangonanay

2. Raha sehatra ny ady mafy
Ny fiainana diavinay
Ttsy manahy fa Jeso manafy
Hery vaovao ny fiangonanay

3. Fitiavan'ny mpirahalahy
Fifalian'ny fanaovan-tsoa
Vali-bavaka omen'ny Fanahy
Samy hitanay ao avokoa

4. Tsy ho ela izahay dia hifindra
Fa ho avy Ilay Tomponay
Ka halaza sy tena hirindra
Fa voavonjy ny fiangonanay

Jeso ô ampianaro (Fihirana 252, Imprimerie Adventiste)


Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Jeso ô, ampianaro ny lalanao izahay
Ka ny fonay hamasino, ahitsio ny fiainanay

Ref:
Eo Aminao Jeso ô, soa tokoa
Hery koa, aina vao
Raisonao, ô raiso re zahay

2. Afa-tahotra ny fonay raha ny fanahinao
No miasa ho anay mandra-pahatonganao

3. Ianao no vatolampy tanjona iononam-po
Eo fiarovana ampy hahatony izany fo

4. Jeso  ô, Mpamonjy soa tomoera aminay
Isana'andro isan'ora, ô arovy izahay

Iza no hiakatra( Fihirana 9, Imprimerie Adventiste)

Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau.

Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
Iza no hiakatra any an-tendrombohitra
An-tendrombohitr'i Jehovah
Iza no hiakatra any
Ary iza no hitoetra
Ary iza no hitoetra any,
Hitoetra any

Iza no hiakatra an-tendrombohitr'i Jehovah
Iza no hiakatra any
Ka hitoetra ao amin'ny fitoerany masina

Izay madio tanana, izay mahitsy fo
No hiakatra any ary handray ny fitahiana
Ny fitahiana avy amin'i Jehovah izy
Handray ny fiahiana izy(2)
Ka iza no hiakatra any an-endrombohitra
An-tendromboohitr'i Jehovah
Iza no hiakatra any
Ka hitoetra eo amin'ny fitoerany masina

Ampangino ny izahoko(Fihirana 466, Imprimerie Adventiste)



Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Ampangino ny izahoko ry Tompo ô
Ampangino hihainoako ny feonao
fa manelingelina ny hidiranao ao am-po
O! ampangino tanteraka Tompo ô

Ref:
Ianao izay neken'ny rivotra Jeso
Ianao neken'ny ranomasina
Ianao nibaiko ny afo
O! ampangino ny izahoko

2. Raha mila te ho sosotra ilay izahoko
Dia teneno moramora re ry Tompo ô
Mba hitandro voninahitra ho Anao irery e
Fa fihavanana no sitrakao

3. Raha mila te hirehareha Tompo ô
Te-hanindrahindra ireo talenta nomenao
Ampangino, ampangino ny izaho ato am-po
Fa tsinontsinona aho re Tompo ô

4. Raha tia fanakianana aho Tompo ô
Fanakianana tsy mba mamokatra ho anao
Ampangino aza avelanao hiteniteny re
F'izaho koa tsy mahavita be

5. Raha levona tanteraka ny izahoko
Ka tsy izzaho intsony re no velona ato am-po
Dia ny herinao anie hanosika ahy hankato
O! tanteraho zay sitrakao Tompo ô

mercredi 15 février 2012

Fihirana Advantista (Imprimerie adventiste)


Cliquez sur les titres pour écouter la version audio et pour voir les paroles.
Cliquez sur solfa pour voir et télécharger la partition en solfa.

Ampy ahy Jesoa(Fihirana 269, Imprimerie Adventiste)

Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau.

Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Raha mbola velona aho ka miaina ety,
Ampy ahy Jeso, ampy ahy Jeso
Zay no hany faniriako Tompo ô,
Ny hirakitra ao am-poko fa ampy ahy Jeso
Handrandraiko anio ny maso hifantoka Aminao
Tsy hijery akory izany ady hanafotra ahy
Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao
O! mpy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso

2. Raha mbola velona aho ka miaina ety,
Ampy ahy Jeso, ampy ahy Jeso
Zay no hany faniriako Tompo ô,
Ny hirakitra ao am-poko fa ampy ahy Jeso
Tano mafy aho mba hifikitra Aminao
Tsy ahoako zay ho valifatin’ny tsy tia
Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô
Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso

3. Raha mbola velona aho ka miaina ety,
Ampy ahy Jeso, ampy ahy Jeso
Zay no hany faniriako Tompo ô,
Ny hirakitra ao am-poko fa ampy ahy Jeso
Na ho jamba aza ireo masoko ireo
Ka esorina amiko ny aina sy ny feo
Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô
Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso

Amboary aho Jeso(Fihirana 617, Imprimerie Adventiste)

Cliquez ici pour voir et télécharger la partition en solfa de ce morceau.

Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Amboary aho Jeso mba ho toa Anao
Indrindra fa ity foko ity Jeso ô
Mora fanahy sady be fitiavana
Tsara sy maha-te ho tia Jeso ô

Ref
Amboary Jeso ny fiainako
Ka feno ny fanahy ho tsara sy mendrika
Ny fisainana sy ny fiteniko
Enga anie Jeso mba ho toy ny Anao

2. Izao tenako izay feno ota izao
Indrindra fa ity foko ity Jeso ô
No atolotro mba hohavaozinao
Tsy hanala baraka Anao Jeso

3. Ampitoero amiko ny fitiavanao
Mba hitiavako ny fahavaloko Jeso
Ireo fomba ratsy zay niainako
Soloy re Jeso ô mba ho tena vao

Miara-dalana (Vetson'i Fianar)


Ref:
Miaradalagna amintsika
isan’andro isan’andro ny Tompo.
Añatin’ny hafaleana, añatin’ny manahiraña
Iy ro añilantsika.
Tsa avelany ho irery atsika
Eko mamindra, ary matokia
Ny fitiavany tsa mba ho afaka amintsika (4)


Tsa hodadiavin-davitsa iy!
Fa tena mariny atsika,
Tsa aia fa eo añivontsika eo.
Feny tsa nisy nañavisa
Tokañna ny Raintsika
Vana olo raika atsika
Mpianakaby!
Eko tano soa re ny fihavañana!


Tsa mba misaraka amintsika,
Ny Fañahiny añatintsika...
Nahoana ke ro vô misalasala,
Tsa mba miova ny fitiavany.
Atsika efa nanjary havany:
Zanaka an-drañon-drainy
Atsika ro iraka
Vavolombeloña hampahilala ny Fitiavany.


Aja laitsa miandrandra,
Ny lañitsta ambony añy ’tsika;
Jahao ireo sahiraña, ’reo mahadinaiña;
Teñany koa ireo.
Mameloña atsika ny taroñny.
Ano hiara-dia, hañavao ny tany,
Fa samy manañna ny hainy.

vendredi 10 février 2012

Andraso aho

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Troupah.



Andraso aho ry malala fa ho avy
Tsy ho ela dia hifanatri-tava
Toa mijaly koa e raha lavitra anao
Aza adino ny taratasy mandra-pihaona

Ny sarinao satry ho am-poko ao
Ny vatanao manontolo no toa hiseho
Mandra-maraina no hitiavako anao
Ny fitia toy ny ketsa maniry raha afindra

Tonga any aho hoy aho na aiza na aiza misy anao
Fa mbola ianao no mamin'ny foko hatramin'izay
Tonga mba hamonjy ny akany tiana
Izany angamba no mety hitondra ny hafaliako

Nirina

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Troupah.

Nirina ô, ianao no iainako eto an-tany
Tsy misy handrara amin'izany
Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Nirina ô, ny olon'irery hono tsy mba tsara
Ka raha mba manana ho ambara
Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Rahoviana indray no hihaona
Tsy tafandry aho isan'alina
Sasa-poana e... Nirina ô...
Mitady anao

Nirina ô, iriako ianao mba ho eto anilako
Mba tanteraho ny sitrapoko

Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Troupah

Ecouter la version audio et voir la parole de:
Nirina
Andraso aho

mercredi 8 février 2012

Te hiverina aho (Fafah)



Tsy nampoiziko intsony ny hahita anao
Miramirana sy tony kanto toa izao
Ela ery ianao izany, inona ny vaovao
Tsy niova mihitsy ianao fa toy ny fahiny

 Mba manao ahoana ary izao ny fiainanao
 Mino mihitsy aho fa efa mahafinaritra
 Ny ahy moa dia tsy mbola niova, fantatrao ihany
 Mirenireny eny aho tsisy fiafarany.

(Ref)
Izaho ilay bandy mpananihany anao foana
Izaho ilay bandy mpandiso lava ny fotoana
Zay natao matetika
Izaho ilay bandy mpampitomany anao foana
Izaho ilay bandy nandao tsy fantatro hoe nahoana
Fa izaho te hiverina
Nefa ianao efa sambatra
Tsy ho hita antsoina
Tsy ho hita antsoina

Tena faly be mihitsy aho mahita anao
Fa izay any am-ponao any no tsy fantatro
Fa maninona ianao sa mba mahatsiaro
Ianao mitsiky sy manganohano Eny tonga ny fotoana dia lasa nandao Ora maro no efa lany zaho mitady anao Efa fantatro fa efa tara ankehitriny Ka ny sisa atao dia ny manadino

Akohokely latsaka an-kady(Fihirana Katolika)




Akohokely latsaka an-kady aho, ô ry Tompo,
Hiantso, kely feo: hanidina, tapaka elatra
Tolory tanana aho ka vonjeo
Sao matin’ny vesa-pahotako
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo amiko (2)


Tantely saraky ny ala aho, ry Kristy,
Eny an-tany ngazana nilaozam-boninkazo
Tolory tanana aho, ka vonjeo
Sao matin’ny ngidim-pahotako.
Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo amiko (2)


Tsiriry diso farihy aho, ry tompo,
Ety an-tany efitra, ny andro migaina
Tolory tanana aho, ka vonjeo
Sao matin’ny valim-pahotako
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo amiko (2)
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...