Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Lalatiana. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Lalatiana. Afficher tous les articles

mardi 19 juin 2012

Nofy version originale (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.


Nanonofy anao aho tamin’ izay
Nitsingevana hono ianao
Rahona no hipetrahanao
Ny kintana no sambofiaranao

Nanonofy ano aho tamin’izay
Tànana no natolotrao
Hnadray ahy ho eny aminao
Ny kintana taontsika kilalao...

Avia aty hoy ianao
Ho ety ambony kintana
Fa ety no omeko anao
Omeko anao izao tontolo izao...

Mifohaza an'izay ianao
F'efa ity anilanao ity aho
Izany no noteneninao
Nitsiky aho raha mba teto mantsy ianao

Avia aty hoy ianao
Ho ety ambony kintana
Fa ety no omeko anao
Omeko anao izao tontolo izao...

Dia nifoha amin’izay ary aho
Niandrandra aho nitazana anao
Hay nanonofy anao fotsiny aho
Nitsiky kely...
Raha mba teo mantsy ianao...

Masoandron'ny fitia (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Dia nirotsaka tsy satry ny tomany
Dona-tsetroka mijofo any ho any
No milaza f'efa lao ka handao ahy ianao
Hikopak'elatra any an-danitra vaovao

Alin-kisa mitsilopy manjopiaka
Mitanisa izany nofy niainantsika
Mampanembonembona amin'ny andron'ny tsiahy
Mampangolika fo sy fanahy

Taitra teo fa nandre feonao mihomehy
Reko mamiravira fo voarotsi-na hira
Hasambara-baovao, ho rivo-baovao
Andro tsaran'ny maraina ny anao

Fa ny ahy hovonoiko ny tsiahy
Hosoloiko hirahira aty am-panahy
F'efa iry mipoitra iry ilay masoandron'ny fitia
Manafana izany foko mba minia


Taitra teo fa nandre feonao mihomehy
Reko mamiravira fo voarotsi-na hira
Hasambara-baovao, ho rivo-baovao
Andro tsaran'ny maraina ny anao

Fa ny ahy hovonoiko ny tsiahy
Hosoloiko hirahira aty am-panahy
F'efa iry mipoitra iry ilay masoandron'ny fitia
Manafana izany foko mba minia

Faniriana (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Aza hirainao amiko ny kalon'ny fahiny
Aza averina amiko ny anganontsika ireny
Aza tantaraina koa ny somonga, vazivazy
Aza tairinao intsony ny efa rava tany

Aza irianao re ny omaly hivetsovetso ireny
Ary aingao re ny tontolo tsy hananam-polo
Aza avelanao hiseho ireny adiady
Aza fohazinao intsony ny efa matory

Andro vao no andrandraina hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy

Aza eritreretinao ny tselatra tsy hita
Aza atao hoe lahatra ny adalana vita
Aza lavinao toy izao ny saina hanavao
Hasambarana no iriana hatrizao


Andro vao no andrandraina hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy

Andro vao no andrandraina hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy

Lalatiana (Playlist)



Ecouter la version et voir la parole de:

Volana (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

O ry vorona ô
E ry vorona iry e
O ry vorona ô
E ry vorona riy e
Inay any aho mba toa anao
Kopak’elatra ihany dia ampy
Hiaingako hody any androany
Ho any alavitra any
Ho any amin’ny misy azy
Sarotra mantsy ny lalan-kombana
Fa hihoatra irony havoana
Mbola lalina koa ny rano
Tsy araky ny aiko izany
Sao dia tratran’ny orana ô
O ry vorona ô
E ry vorona iry e

O ry volana ô
E ry volana iry e
O ry volana ô
E ry volana iry e
Mba raiso aho ho eny aminao
Eny mantsy toa mahita ny any
Fantatro izy fa mijery anao
Sao dia mba tafahaona e
Ny masonay samy miandry
Vetivety ihany anie fa tsy ela
Raha tsy mety moa ataoko ahoana?
Ny tenako anie na mbola aty
Ny foko dia efa any
Tsy adala fa tena tia
O ry volana o
E ry volana iry e
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...