Namana/Amis/Friends

jeudi 4 octobre 2012

Fihirana Fanampiny FJKM FF 11 - FF 20

Ecouter la version audio et voir la parole de:
FF 11 - Faly aho
FF 12 - Am-pelatananao ry Raiko
FF 13 - Mihirà fihiram-baovao
FF 14 - Jesoa, apetraka Aminao
FF 15 - Raiko ô !
FF 16 - Tsy vitam-po onena
FF 17 - Ho avy ny maraina
FF 18 - Afafazo
FF 19 - Raha Jehovah no Mpiandry
FF 20 - Jesoa Fitiavana

Fihirana Fanampiny FJKM FF 21 - FF 30

Ecouter la version audio et voir la parole de:
FF 21 - Mahatoky ka tokony hekena
FF 22 - Tsy mendrika ahy
FF 23 - Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary (A.T.Z.)
FF 24 - Mahereza ! Ny Tompo momba anao
FF 25 - Ny voadiko
FF 26 - Jesosy reharehako
FF 27 - 'Lay alim-pamonjena
FF 28 - Efa voadinikao Andriamanitra ô
FF 29 - Tsy mba hisy reharehako
FF 30 - Fo mitambatra ho iray

Fihirana Fanampiny FJKM FF 1 - FF 10


Ecouter la version audio et voir la parole de:
FF 1 - Mitsangana ianao ry mino
FF 2 - He, manolo-tena
FF 3 - Jeso Vato fehizoro
FF 4 - Ry Fanahy ô
FF 5 - Izaho no fananganana ny maty
FF 6 - Ny teninao
FF 7 - Tsy hainay ny hangina
FF 8 - Masoko manganohano
FF 9 - Isaorana anie Jehovah
FF 10 - Mivavaka aho satria


FF 1 - Mitsangana ianao ry mino

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10).

1. Mitsangàna ianao ry mino
Fa ilain’ ny taninao
Ny finoanao ifikiro
Mivonòna ianao
Ny ady anatrehanao tsy mora
Tena sarotra tokoa
Nefa toy ‘ lay tao Edoma
‘Lay mahery momba anao.

Fiv : Mbola ho avy ny maraina
(‘lay maraina)
‘Zay mitondra hery vao
Ry mpiambina miarena
Ka ingao ny zovinao
Ambarao fa ny aizina
Indro efa lasa re
Efa tonga ny maraina
Hisy hazavana be.

2. Raha sendra ady mafy
Mila handreraka ny fo
Dia tsarovy fa mihafy
Vao hahita ny soa
Raha tafita ianao
Hisy hazavana be
Ny aizin-kitroka ho lao
Tapi-dàlana haleha.
Mbola ho avy ny maraina sns...

3. Fahafahana doria
Tsisy tambiny aminao
No omen’ ny Tompo tia
Raha tahiana ianao
Ho fanilo mandramaty
Ho mpitantana ny dia
‘Lay finoana ao anaty
Homba anao doria doria.
Mbola ho avy ny maraina sns...

FF 2 - He, manolo-tena

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10).

1. He manolo-tena ho Anao
Fa mandre ny feo sy antsonao
'Zato tenako izay mania
Ka raiso Tompo, raiso ry Jesoa Tia

Fiv : Hanoa ny sitrakao
Hanao izay tianao
Ka ho mpanompo vonona
Sy sahy koa
Hitory hatrany ilay Fitiavanao
Ambaram-pialam-pofon'aiko Jesoa.

2. Eny Tompo tsy mba mendrika aho
Feno loto ny ao am- poko ao
Nefa re ilay fitiavanao
No inoako handray ahy
Ho Mpanomponao
Hanoa ny sitrakao sns...

3. Eo anilanao no fifaliako
Ho Anao mandrakizay no tiako
Ny ho vavolombelonao Jesoa
No mamiko sy tena iriko tokoa
Hanoa ny sitrakao sns...

4. Fantatro fa sarotra ny diako
Marobe ny zavatra ho sedraiko
Nefa raha Ianao no momba ahy
Dia tsy hanan- tahotra ny fo sy fanahy
Hanoa ny sitrakao sns...

FF 3 - Jeso Vato fehizoro

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10)..

1. Jeso vato fehizoro
Afa- tahotra ny fo
Raha Ianao no mampijoro
Sy iankinana tokoa.
Vato fiorenanay
Jeso Zanaky ny Avo
Vato fialofanay
Amin- dratsy te handavo.

Fiv : Vato azo itokiana
Sady tsy mba mivena
Afaka ny fahoriana
Raha ianao no ekena.
Jesoa Tompo irery
No 'lay vato tsy mifindra
Jeso Tompo irery
No ' lay fehizoro indrindra.

2. Jeso vato fehizoro
Mampisinda ahiahy
Fa mandresy horohoro
Manatanjaka fanahy.
O, ry vato tsara paika
’Zay mandray Anao am- po
Dia mijoro tsy miraika
N' inon' inona manjo.
Vato azo itokiana sns...

FF 4 - Ry Fanahy ô

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10)..

1. Ry Fanahy ô midina,
Manatreha anay anio Ianao
Mba hanoloranay,
Ny vavakay mangina
Vetsovetsom- po 'zay atolotray
Vola sy ny harena
Samy tsy anananay
Fa indro ny vavakay mangina
Fanoloran-tena ho Anao tokoa.

2. Ry Fanahy ô monena
Aza mba mandao anay Ianao
Kolokoloy 'zahay
Hitombo fahendrena
Ka tsy hahafoy hiarak' Aminao
Ota sy rendrarendra
Samy te handavo anay
Soa ihany, soa fa eo Ianao Fanahy
Vonona hitahy ny fiainanay.

3. Ry Fanahy ô , meteza
Mba handray anay ho mpianatrao
Avia Ianao,
Avia mampahereza
Hahatonga anay mba ho irakao
Eso sy fitsapana
Samy manakivy anay
Ka taomy , taomy hanam-po mafana
Herim-po vaovao hiasa ho Anao.

FF 5 - Izaho no fananganana ny maty

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10)..

1. Hoy Jesosy Tompo 'zaho no fananganana
Fananganana ny maty sy fiainana
'Zay rehetra mino Ahy na dia maty aza
Dia ho velon'indray, ho velon'indray, ho velon'indray
Satria velona Aho, Ho velona hianareo
Aza matahotra fa (ho velon'indray)3

2. Maharavo fo ny teniny henoy indray koa
'Zay rehetra velona ka mino Ahy tokoa
Dia tsy ho faty mandrakizay hatsangako
Ka ho velon'indray, ho velon'indray, ho velon'indray
Satria velona Aho, ho velona hianareo
Aza matahotra fa (ho velon'indray)3

3. 0 ! Jesosy Tompoko indro re ampitomboy
Ny finoako Anao, ny herinao asehoy
Tompo iantrao ny foko tsy finoako vonoy
Mba ho velon'indray, ho velon'indray, ho velon'indray
Mino Anao tokoa ny foko Jesosiko
Feno toky aho, fa (ho velon'indray)3

FF 6 - Ny teninao

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10).

1. Ny teninao Jehovah Ray mahery
Izay nomenao anay
Dia teny tsara sady mampahery
Ka mampifaly ny fonay

Fiv : Ny teninao
Mofon'aina sakafo tokoa
Ny teninao
Ranon'aina satria foto-tsoa
Ny teninao no teny tsy mba maty
Maharitra mandrakizay

2. Soraty re ho velona ao anaty
Hitondra aina vaovao
Hitana ny finoana tsy ho faty
Ka hankato ny didinao 

FF 7 - Tsy hainay ny hangina

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10).

1. Tsy hainay ny hangina
Ka tsy hankalaza ny Avo
Nameno fitahiana
Ka tsy mba namela ho lavo.

Fiv : Ka dera ry Ray o!
Sy saotra no atolotra Anao
Ny fo sy fanahy, tena faly loatra
No entinay midera Anao.
Ny sainay tsy ampy hahalala
Ny fatran’ny fitiavanao
Ka raiso ry Tompo Malala
Ny fankasitrahana Anao (ry Ray).

2. Tsy hainay hadinoina
‘Lay fara-fitiavanao, Ray o!
Fa maty novonoina
Ny Zanakao hamonjy anay.
Ka dera ry Ray o! sns...

FF 8 - Masoko manganohano

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10)..

1. Masoko manganohano,
Nitomany feno rano
Noho ny helok’efa vita,
Dia mitony raha nahita
Masonao be fiantra
Ry Mpamonjy ny mahantra
O Voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.

2.Tanako mangadihady
Nisarangotra nitady
Fanavotana sy Vonjy
F’efa resy ka nilonjy.
Dia noraisinao ry Tompo
Na dia tànana maloto
O voavotrao ‘lay very
Ry Fitiavana mahery.

3. Foko tena fahavalo
Nefa resy ka mimalo
Raha nifona fa naditra
Hitanao nipitrapitra.
Babo ka tsy afaka ho aiza
’Zay noraisinao ho sakaiza
O voavotrao ‘lay very
Ry Fitiavana mahery.

FF 9 - Isaorana anie Jehovah

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10)..

Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra anie
Andriamanitry ny Israely
Isaorana anie Jehovah
Andriamanitra
Izy irery ihany no nanao fahagagana
Isaorana, mandrakizay
ny anarany Malaza
Ary aoka ny tany rehetra,
Ho henika ny famirapiratry
Ny voninahitr'i Jehovah Ray Tsitoha
Amen!

FF 10 - Mivavaka aho satria

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (1-10)..

1. Miloatra avy ao am-poko
Ny tonom-bavako
Maneho ny fanajako
Sy fankatoavako
Ny Tompoko Tsitoha
Nitahy hatrizay
Hatramin’ny taloha
Sy ho mandrakizay.

Fiv : Mivavaka aho satria tena mino
Mino sy mankato
Manaja sady tia an’Andriamanitro
Mivavaka aho satria tena faly
Faly sy manantena ny avotrao
Omena mandrakizay doria

2. Mibahana ato am-poko
Fanahin’I Kristy
Mitaiza tsy miato
Ka mahafaly ery
Manesika ahy hivoatra
Hiasa bebe kokoa
Ka ataony tafahoatra
Ny hasoavako.
Mivavaka aho satria tena mino sns...

FF 11 - Faly aho

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

Faly aho raha hoy izy ireo tamiko
“Handeha isika ho any an-tranon’I Jehovah,
Ny tongotray efa mijoro
Ao anatin’ny vavahadinao
Ry Jerosalema, ry Jerosalema.
Dia ianao ry Jerosalema,
Izay efa vita tahaka ny tanàna
Efa voalamina tsara.
Any no hiakaran’ny firenena,
Ny firenen’I Jehovah,
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anaran’i Jehovah.”

FF 12 - Am-pelantananao ry Raiko

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

1. Am-pelantananao ry Raiko
Ny mombamomba ahy rehetra
Iriko ianao no ho mpibaiko
Ianao anatiko ao mitoetra
Ho andrirahoko tokoa
Hitarika ahy hatrany hatrany
Andriafo tsy mandao Ianao
Jesoa Ianao no hazavana tsy ho lany
Am-pelatananao ihany
Mandrakizay doria doria
Na ny fiainako eto an-tany
Na hatrary ankoatra ary.

2. Ny saiko am-pelatananao
Ny foko efa tsy ahy intsony
Fa voaova ho vaovao
Dia lasanao ry Ray ambony
Ny hasambarako ombieny
Mifaly manana Anao
Ilay fiainako mpanjeninjeny
No voafehinao anatiko ao
Am-pelatananao ihany
Mandrakizay doria doria
Na ny fiainako eto an-tany
Na hatrary ankoatra ary.

FF 13 - Mihirà fihiram-baovao

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

Mihirà fihiram-baovao
Ho an'i Jehovah, ry tany
Mihirà fihirana
Ho an'i Jehovah
Dia ambarao amin'ny jentilisa
Ny Voninahiny.

Mihirà fihirana
Fihiram-baovao
Mihirà fihirana
Ho an' i Jehovah, ry Tany
Dia ambarao amin'ny Jentilisa
Ny Voninahiny
Ambarao amin'ny Jentilisa
Fa Jehovah no mendrika.
Izy no mendrika ny Fiderana

FF 14 - Jesoa, apetraka Aminao

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).


1. Jesoa, apetrako Aminao
Ny fanahiako rehetra
Ny asa vita hatrizao
Anao tokoa tsy misy fetra
Jesoa, apetraka Aminao

2. Jesoa, apetrako Aminao
Ny asa fikelezan'aina
Tsy misy miafina Aminao
Ny hetaheta tsy hay lazaina
Jesoa, apetraka Aminao

3. Jesoa, apetrako Aminao
Ny toky sy fanantenana
Ny sitrakao no aoka hatao
Na aiza lalana ombana
Jesoa, apetraka aminao 

FF 15 - Raiko ô !

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

1. Tompo Malala Tsitoha, inty aho
Izao vao nandre ilay feo niantso ahy
Tsapako anatiko ao ny herinao
Mitaona ahy mba hiverina Aminao.
Raiko ô ! Raiko ô ! Inty aho
Raiso mba ho isan'ireo zanakao
Fa izaho 'zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Ray ô!

2. Jesosy Zokiko ô ! Raiso aho
Ho isan'ireo zandrinao tianao
Neniko ireny taloha fa hiova aho
Raiso aho ! Raiso aho Jeso ho Anao.
Tompo ô! Tompo ô! Inty aho
Raiso mba ho isan'ireo zandrinao
Fa izaho 'zay nania dia hiova
Hanaraka ny didinao Jeso!

FF 16 - Tsy vitam-po onena

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

1. Tsy vitam-po onena
Tsy vitan-dranomaso
Ny Asam-pamonjena
Tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena
Mila fandavan-tena
Sy hery tsy mba maty
Herim-po, herin-tsaina koa

Fiv : Na onena ny fonao
Na tomany ny maso
Tsy izany no ilaina
Fa fifankatiavana

2. Ny mpianatry ny Tompo
Asainy mifanompo
Na mamy na mangidy
Miara-dia , f'izany no Didy
Mamonjy ny mahantra
Manarina ny lavo
Mitsabo ny maratra
Ary koa tsy mba miavom-po
Na onena ny fonao, sns...

FF 17 - Ho avy ny maraina

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

1. 0 ry Tompo be fitia
He isaoranay lanao
Fa manaiky hiara-dia
Aminay mpanomponao
'Zay miasa hanasoa
Olo-maro mpiara-miaina
Manantena vokatsoa
Amin'ny asa izay efaina

Fiv : He! talenta samihafa
No nomenao hampiasaina
Raha ireo no miara-miasa
Dia ho avy ny maraina
Ka ho maro sesehena
No hahazo tombontsoa
Hampandroso firenena
'Zay kinasanay ho to.

2. Taona maro izay ry Ray
No nodiavina hatrizao
Niara-nilofosanay
Mba hanao ny asanao
Nefs tsapanay tokoa
Vitsy no mba vita tsars
Ka tafio ny herim-po
Hahavita izay anjara
He! talenta samihafa, sns...

FF 18 - Afafazo

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

1. Raha tonga ny andro izay
Itsarana anao
Amin'izay fotoana izay
Adinina ianao
Ka hiatrika
Ilay Mpanjakanao
Efa vonona ve ianao ?(Ary koa)
Efa ampy ve
'Zay anananao
Hiatrehanao ny Tomponao

Fiv : Fihatsarambelatsihy
Aok'izay dieny ety
Fahafaham-baraka ho anao
Ka ialao
Raha toa tianao
Ho voavonjy ianao
Afafazo 'zay voa mendrika (Mendrika)

2. Raha tonga ny andro izay
Itsarana anao
Amin'izay fotoana izay
Adinina ianao
Efa ampy ve
'Zay nafafinao
Mba ho voa mendrika tokoa ?(Ary koa)
Efa tontosa ve
Ny anjaranao
Tsy hahameloka anao rahatrizay
Fihatsarambelatsihy, sns...

3. Raha ho avy ny fotoana
Hodianao
Amim-boninahitra
Ho ao an-tranon-dRay
Tsy hatahotra
Na hangovitra
lanao, raha madio fo (Ary koa)
Satroboninahitra
Tsy mba Io
No an'ny mpanompo mahasoa
Fihatsarambelatsihy, sns...

FF 19 - Raha Jehovah no Mpiandry

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

1. Raha Jehovah no Mpiandry
Tsy mba hisy mampahory
Ahi-maitso no handriana
Ny fanahy velombelona
Eny, tsy hanahy akory
Lala-marina itondrany
Lalan-tsambatra
(Sambatra ifaliana)

Fiv : Raha Jehovah no Mpiandry
(Tsy mba hisy)
Tsy mba misy 'zay mampahory
Ahi-maitso no handriako
(Ranon'aina hosotroiko)
Ranon'aina hosotroiko
Ny fanahiko hovelominy
(Miasa izy)
Miasa lzy tsy mba matory
Lala-marina itondrany
Tsy ho foiko

2. Ny aloky ny fasana aza
Tsy ho tazantsika intsony
Tsy hatahotra ny loza aho
(Izy no mihazona ahy)
Tsorakazo nitondrany
Sy ny tehiny any ambony
No manolotra ny toky
Ny fanahiko
(Toky ny fanahiko)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

3. Eo imasom-pahavalo
Ny latabatro velariny
Diloilo feno hanitra
(Efa namontosany ahy)
Safononoka tantely
Ny kapoakako namboariny
Fahasoavana no sise
Afaka ahiahy
(Afaka ahiahy)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

4. Ao an-tranonao ry Tompo
No iriko hialofana
Ka tsy afa-miditra any
(Ny hetraketraky ny tany)
Raha ny fonao feno antra
No ho lamba hirakofana
Ary ny androm-pifaliana
Tsy ho lany
(Tsy ho lany)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

FF 20 - Jesoa Fitiavana

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

Efa trotraky ny adin-tsaina
Vao mba mahatsiaro anao ry Tompo
Menatra aho tsy sahy mitaraina
Ry Jesoa Fitiavana

Kanjo tambitamby, safosafo
No nasetrinao ny ditrako
Eny tsapako fa novidiana lafo
Tamin’ ny Ranao ny tenako

Jesoa Malalako! tafio ny herinao
Hahaizako mandresy ny fakam-panahy
He, tsinontsinona izao tontolo izao
Fa fanimbana tena, saina sy fanahy

Ho reharehako ilay tanambokovoko
Hihamina eo anilanao anie ny foko
Fa eo anilanao tsy misy ny toloko
Eo no mahatsara ahy, Jesoa

FF 21 - Mahatoky ka tokony hekena

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

Mahatoky, ka tokony hekena
Amin'ny fankasitrahana rehetra
Izao teny izao (²) :
Tonga tety ambonin'ny tany
Kristy Jesoa
Hamonjy ny mpanota
Ary amin'ireny,izaho (izaho)
Amin'ireny, izaho no lohany (²).
Kanefa izao no namindrana fo tamiko (²)
Dia ny mba hisehoan'i Jesoa Kristy
eo amiko izay Lohany (²)
Ny faharipo rehetra Ho fianarana
Ho an'izay hino Azy
Hahazoana fiainana mandrakizay.

FF 22 - Tsy mendrika ahy

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

Tsy mendrika ahy mpanompo
Ny atao hoe " zanakao "
Kanefa lanao, ry Tompo
No niantso ahy izao
Izay manatona Ahy
Tsy ho laviko, hoy lanao
Dia tamy aho ka sahy
Nanatona anao

Ianao no Madio
(Mba diovy aho re)
Ianao no Marina
(Mba hamarino aho re)
Ianao no Masina
(Mba hamasino aho re)
Tsy mendrika hitsimpona
Ny latsaka amin'ny latabatrao aho
Kanefa, hoy lanao :
"Izay manatona Ahy
Tsy ho laviko mihitsy"
Noho ny teninao, noho ny teninao
Dia sahiko ny manatona

Ianao no Madio
(Mba diovy aho re)
lanao no Marina
(Mba hamarino aho re)
Ianao no Masina
(Mba hamasino aho re)
Mba diovy aho re
Hamarino aho re
Mba diovy aho re
Mba hamarino re
(Hamarino aho re)
Mba hamasino re
(Hamasino aho re)
Mba diovy
Hamarino
Hamasino re.

FF 23 - Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary (A.T.Z.)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

1. Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary
Be fitiavana, mamonjy sy mamelona
Vatolampy, toky tsy mifindra
Fa maharitra mandrakizay

Fiv : Raha ny eto an-tany
Dia mandalo ihany
Miovaova
Tsy azo ianteherana
Be no efa voa
Ka mamoy fo
Fa izany
No fomban'ny tany
Toa fiainana raha jerena
Kanjo indrisy fa mahonena
Hasambarana miserana ihany

2. 0! ry velona tsarovy ny andronao
Fa mandalo tsy mba manam-pijanonana
Ka tandremo sao variana ianao
'Zao tontolo izao ho levona avokoa
Raha ny eto an-tany, sns...

3. Mbola ho entin'Andriamanitra hotsaraina
'Zaho sy ianao, ka tsy ho afa-maina
Fa Jesoa Mpanjaka no hitsara
Ka hanavaka ny tsara sy ny ratsy
Raha ny eto an-tany, sns...

FF 24 - Mahereza ! Ny Tompo momba anao

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

1. Miaingà, mazotoa,
Mikeleza aina koa
Mivavaha, mivavaha,
Ho an'izao tontolo izao
Mijoroa, mitoria,
Mamafaza Teny Soa
Fa ny Tompo be fitia
No manohana anao
Sarotra ny lalanao
Kanefa matokia tokoa
Andrandrao ny masonao
Fa mbola ao ny Tompo soa
Izy no aminao
Ka hampandresy izao
0! mahereza fa ny Tompo
Momba anao

2. Mandrosoa, miasà,
Tano ny finoanao
Aza mba matahotra
Na manahinahy izao
Miadia, mitafia
Ny firaisan-tsaina soa
Fa ny fahavalonao
Dia handositra tokoa
Aza kivikivy foana
Fa ny Tomponao dia ao
Mampahery lalandava
Ary koa tsy mba mandao
Izy no aminao
Ka hampandresy anao
0 ! mahereza fa ny Tompo
Momba anao 

FF 25 - Ny voadiko

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

Ny ondry mania no maneho anio
,Zao fanekena sy voady ;zao
Nandinika ny zava-bita, Jesoa
Tsy mendrika hanatona Anao
Kanefa tsaroako ny fitiavanao
Hamonjy ity mpanomponao
'Lay Teny mahery mananatra
Nampiova ny foko torovana
'Lay Fanahy Masina inoako
Hampianatra sy hanadio
Ny ho aviko apetrako eo Aminao
Izany no voadiko izao

FF 26 - Jesosy reharehako

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao

Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao

2- Tsy misy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marina.

3- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Ilay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao

FF 27 - 'Lay alim-pamonjena

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

1. 'Lay alim-pamonjena (famonjena)
Tsarovana eto izao
Fa Tompo be harena
no teraka tamin'io
He ! Mahagaga ilay fitia
Nasehon' Andriamanitra

Fiv : He ! Ravo ny fo
He!mirana koa
Mifaly (falifaly), sambatra doria
Miventy ny hiran'ny lanitra
HALELOIA !

2. 'Lay alim-pamonjena (famonjena)
Tsarovana eto izao
Fa vita fanekena
Izaho sy ny Tompo soa
Ny tenako atolotro
Ny tenany ho avotro
He ! Ravo ny fo, sns...

3. 'Lay alim-pamonjena
Tsarovana eto izao
Mpanota sesehena
Mandova fiainan-tsoa
'Lay alim-pihavanana
Nitondra fiadanana
He ! Ravo ny fo, sns...

4. 'Lay alim-pamonjena
Tsarovana eto izao
Nitondra fietrena
Tsy mba manam-paharoa
Fitiava-mampitovy zo
Ny miadana sy ory fo

FF 28 - Efa voadinikao Andriamanitra ô

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

1. Efa voadinikao Andriamanitra ô!
Ny fiainanay zanak’olombelona
Tsy misy ‘zay miafina amiko tsy hitanao
Ianao no manendry izany Andriamanitra ô!

2. Indro ny fikasako voalahatrao
Ny fiainako rehetra dia Aminao
Ny fahotana vitako taminao
Mangataka famelana Andriamanitra ô!

3. Aza avela aho hangaihay
Fa ampioreno mafy ny finoako
Ka na mamely ahy ny fakam-panahy
Dia matoky Anao ny fanahiko.

4. Ny nofoko anie malemy no sady kely
Torovana tsy ampy hery ka manahy
Meteza Ianao anio Andriamanitra o!
Ho hery sy toky ho ahy mandrakizay.

5. Ianao no vatolampy sy fiarovako
Ny herinao no indro izorako
Ny foko ao anatiko ao efa fantatrao
Dia raiso aho ho zanakao Andriamanitra ô!

FF 29 - Tsy mba hisy reharehako

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

1. Tsy mba hisy reharehako
Toy ny hazo nijalianao Jeso (Jesosy ô !)
Eo amin'izay rehetra halehako
Izany no voadiko Aminao
He! izao rehetra izao ekeko (ry Jeso)
Mora lo sy tsy maharitra tokoa (kanefa Jeso)
Fa ny fitiavanao jereko
Ry Jeso tsy niala tamiko

2. Tsy mba hisy fanorenako
Raha ny eto an-tany eto Raiko ô
Fa ny lanitrao no ho fonenako
Izany no mba faniriako
He! izao tontolo izao tazaniko (tazaniko)
Rendrarendr'izay mamitaka avokoa (kanefa Ray ô !)
Fa ny eo anilanao no mamiko ry Raiko
Raiso aho ho Anao . 

FF 30 - Fo mitambatra ho iray

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (21-30).

1. Fo mitambatra ho iray
No entina eto izao
Mitrotro ny fitia
Hohamasinin' Andriamanitra
Hitombo hery sy
Hamerovero koa
Ka hifanaiky ireo olon-droa
Fa hiombom-piainana
Na inona miseho eto an-tany
Dia vonona hifampitantana

Fiv : Fitiavana toy ny an'llay Jesoa
Fitiavana manolotra ny aina
Fitiavana mandresy fahotana
Fitiavana ho mandrakizay doria

2. Toy 'zao androany izao
'Lay nofinofy izay
Niainanay taloha
Ka indro fa miara-belona,
Miara-tsambatra
Anivon' ny fitia
'Lay dina izay
Niarahana nikolo
No hamafisina ho doria
Hotehirizina ho vaovao
Handrobona, hitombo hasina
Fitiavana toy ny an'llay Jesoa, sns...

FF 32 - Aza avela hahalala

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao

Fiv : Tsy ho takatry ny saiko
'Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako, ry Raiko
Aoka aho hatoky Anao

2. Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton'ny tomany
Efa hitako hatrizao
Tsy ho takatry ny saiko, sns...

3. Aza avelanao hanefy
Ny ampitso 'zay anao
Aza avelanao handrefy
'Zay ho fitantananao
Tsy ho takatry ny saiko, sns...

FF 31 - Mihirà ry manampofonaina

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Mihirà ry manampofonaina 
Mikaloa sy mitsikia
Tapaka ny gadra nolonjena
Afak'i Jesosy be fitia
'Lay Edena nihidy tany aloha (nihidy aloha)
Noho ny ota ratsin-drazantsika
He midanadana sy mivoha
Ka idiro itondray mozika

2. 'Lay satana tena fahavalo
Resy teo ka voakodia
Koa herezo aza mimalo
Tokinao anio Ilay Mesia
Ry voahosotra hitondrana famonjena
(Ry voahosotra famonjena)
'Ndreto ento ho anao 'zahay
Dia izahay izay miferin'aina
Noho ny ota izay mpahazo anay

3. Afaka izahay ankehitriny
Tonga ny Mpanavotra anay
Ka ilay gehenanay fahiny
Voasolo paradisa indray
Koa isaoranay tokoa tokoa (Koa isaoranay tokoa)
Ianao ry Rainay be fitia
Dia Hianao Jehovah Ray tsitoha
Nanome anay ilay Mesia 

FF 33 - Inty aho Jesoa !

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Inty aho Jesoa !
 Miantso ahy Hianao
 Na dia tsy mendrika e
 Manolo-tena izao
 Hianao no nifidy
 Tsy haiko ny handà
 'Ty antso sarobidy
 Ry Tompo, mamelà
 Ny heloko rehetra
 Diovy aho, havaozy
 Ho olom-baovao
 Hanao ny sitrakao
 Ho mendrika tokoa
 Ny antsonao Jesoa.

 2. Inty aho Jeso
miantso ahy Hianao
 Ny fahalemeko anie
 Ry Tompo fantatrao
 Hianao no nifidy
 Sy maniraka ahy
 Avy Aminao Jesoa
 Ny herin'ny fanahy
 Ho entiko manao
 Ny asa atolotrao
 Fa sarotra e ny dia
 Ry Tompo manampia
 Ho mendrika tokoa
 Ny antsonao Jesoa

 3. Inty aho Jesoa
 Miantso ahy Hianao
 Mba ho fahazavan'
 Izao tontolo izao
 Hianao no nifidy ahy
 Ho fanasina
 Hanefa ny adidy
 Lehibe sy masina
 Koa hamasino, Tompo
 Fa vonona aho hanompo
 Hombay ny herinao
 Hitondra aim-baovao
 Ho mendrika tokoa
 Ny antsonao Jesoa

FF 34 - Tompo Malala ô !

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Tompo Malala ô !
Mpanjakako Ianao
 Tamy aho fa resy lahatra
 Noho ny famonjena vitanao
 Eny, ry Tompo,
tsy ho haiko adinoina intsony re
 Ny fitiavana nasehonao

 Fiv : Ka anio no hanavaozako ny fanompoko Anao
 Fa tsy ho voavaliko, izay natolotrao
 Ny fitiavana natolotrao,
 Ka raiso, Tompo, ekeo re sy anjakao
 Ny fiainako ho voninahitrao.

 2. Tompo Malala ô
 'lay hazo fijaliana
 Niaretanao tao Kalvary,
 Niaretanao Mpamonjiko
 No nanehoanao fa tianao
 ity mpanota izay
 Tsy mendrika Anao akory ity
 Ka anio no anavaozako, sns...

 3. Tompo Malala ô !
tsy ho adinoiko intsony
 Ny fitiavana natolotrao
 Ny fitiavana natolotrao
 Eny, ry Tompo,
 ity izaho izay voababonao
 Fa vonona hanao ny sitrakao
 Ka anio no anavaozako, sns...

FF 37 - Fa tsy misy fahoriana

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Fa tsy misy fahoriana
 'Zay natolotrao anay
 Ka nitarika hakiviana
 Satria efa zakanay
 Noho'lay vesatra indrindra
 Mafy, sy manonja koa
 lzay nentinao namindra
 Raha novonoina lanao Jesoa !

 Fiv : Ny faniriam-panahy Hiaraka Aminao
 Hamelona ahy ho sahy Hiasa ho Anao
 Ny Famonjena soa 'Zay nomenao ry Ray
 No anton'ny fiainanay

 2. Fa tsy misy hafaliana
 Tena mampifaly anay
 Raha tsy ilay fitahiana
 Avy Aminao ry Ray
 Fa tsy misy koa fitia
 Hahasambatra anay
 Raha tsy lanao ry Tompo tia
 No mitoetra anatinay

 3. Ny fisainanay 'zay kely
 Tsy mahatakatr'indraindray
 Fa lanao, lanao irery
 No toky iankinanay
 Ny finoana mila hivaha
 Tsy mahasedra sarotra
 Ampijoroy tsy hanahy
 Ho finoana matotra

FF 36 - Mifalia

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Vahoaka sesehena
 No miara-paly izao
 Miventy ny Antema
 Dia hira vaovao
 Injao ny fiderana
 Manakoako ery
 Maneho fanajana
 Ho an'ilay Mesia

 Fiv : lza àry no tsy hifaly (Mifalia, mihobia)
 Hisaotra ao am-po (Misaora ao am-po)
 Fa afa-doza, afa-jaly (Afaka ianao)
 He! famonjena tokoa
 (0!) Mihirà, mihobia
 Afaka ianao
 Teraka ny Tompo Tia
 Resy ny rafinao

 2. Tsy ireo Anjely ihany
 No faly ao am-po
 Ny mpino eto an-tany
 Miravo avokoa
 Fa indro ny Mpamonjy
 Mpanjaka be fitia
 Nietry an-tranon'omby
 Hamonjy ny mania

FF 35 - Ry Tomponay ô avia

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).
1. Ry Mpamonjiko Ray Malalako ou ou ou
 Mifona Aminao ty zanakao mitalaho Tompo ô
 Fa diso taminao izahay ka mangataka ou ou ou
 Famelana sy famindrampo avy Aminao Ray ô !

 Fiv : Ry Tomponay ô avia omeo Anay izao anio izao
 Ny fo madio sy Masina Anananao
 Dia tsy ho very na hoe mbola ho diso ihany indray
 Ny tena sy Fanahy izay anananay

 2. Ry Mpamonjiko Ray Malala ou ou ou
 Be tokoa ireo ota efa vita sy nambabo anay
 Ka angatahinay Aminao sy irinay koa ou ou ou
 Famelana sy famindrampo avy Aminao Ray ô !

mercredi 3 octobre 2012

FF 50 – lanao izay miasa fatratra

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. lanao izay miasa fatratra
 Fa mikendry mba hanefa zava-tsarotra
Moa tsy tsapanao ho mahasambatra
Ny asa izay atao am-pitiavana
Mihamaivana, mora entina
Ny fahasahiranana toa mitambesatra
Raha ao ny fo manaiky marina
Ho tia sy handala ny asa rehetra

 2. Hoy ny hafatry ny Tompo aminao
Manatona Ahy raha toa sahirana
Fa Izaho tsy manary na mandao
Izay miezaka ka hita reraka
Nefa moa ve, vonon’ianao
Handà ny tenanao, hamoy izao tontolo izao
Dia hanaiky koa mba ho tarihina
Fa sarotra ny làlana sy asa atao

3. Mitsangàna, mandrosoa hiasa e !
Fa malalaka ny Saha izay omena anao
Dia meteza koa hanaiky hanome
Harena, herim-po ilaina aminao
Aza ketraka, matokia izao
‘Lay hery ‘zay manohana ny fiezahanao
Ka mitondra soa, manova mba ho vao
Ny vokatry ny asa izay nanasatr’anao

FF 51 – Ry Mpamonjy olom-bery

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).


1. Ry Mpamonjy olom-bery
Sarobidy sy mahery
 Ny fitiavanao ahy
 ‘Zay mambabo ny fanahy
 Noho ilay fitiavanao
Babonao ny foko izao
 Ka izao rehetra izao
 Tsy hamoizako Anao

 2. Ny fitiavanao, ry Tompo,
No mambabo ahy hanompo
 Tia ahy hianao
Ka mba tiako tsotra izao
Eny, fantatrao fa tiako
Izao fiainana eto izao
 Tiako izao rehetra izao
Nefa mbola tiako Hianao

 3. Na dia sarotra sy mafy
 Ny hanaraka Anao
 Izaho vonona hihafy
F’efa tiako Hianao
‘Zao fiainana izao
Tsy atakaloko Anao
Na dia mamiko aza eto
Mbola tiako Hianao

FF 52 - Avia! Torio Kristy

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

Fiv : Ry tanora ô! Avia
 Mitsangàna, mitoria;
 Ambarao ‘lay famonjena
 Ka sahia, avia, avia
 Torio Kristy.

 1. Fa vory amintsika izao ny hery
 Ka mendrika hanaovan-tsoa
 Meteza ka ampio ‘reo mbola very
 Ho mpino toa antsika koa.

 Ry tanora ô! Avia sns...

 2. Anio no miandry antsika ny tontolo
 Hitondra hazavana soa
 Isika izay voataiza sy voakolo
 No indro irahin’I Jesoa.

 Ry tanora ô! Avia sns...

 3. Ny herin’ny Fanahy no momba antsika
 Hahatomombana ny dia
 Andeha amin’ny endrika sariaka
 No hitoriana an’I Kristy.

 Ry tanora ô! Avia sns...

FF 53 - Havaoziko ilay voady

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Tsy ho toy izao, Jesoa Ity mpanomponao
 Raha toa tsy tao tokoa ny fahasoavanao
 ‘Zay nanohana ‘lay hery kely tao am-poko
 Nahazoako mba nanao ny asam-panompoako!

 Fiv : Indro fa havaoziko ry Jesoa
 ‘Lay voady miorina ao am-po
 Ny andro ivelomako
 ‘Zay omenao iainako
 Dia atokako sy mbola hitoriako ilay fitiavanao!

 2. Ny asa izay natao,Jesoa,
 Dia tsapako ao am-po
 Fa tsy dia toy inona sy bitika tokoa
 Nefa na izany aza dia inoako koa
 Fa ‘zay kely vitako hitera-boka-tsoa.

 Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...

 3. Na ho lava na ho fohy ny androko ety
 ‘Zaho dia irakao, ry Jesoa Tompo be fitia!
 Ka ilay fitiavanao miorim-paka anaty
 No hanafy herim-pitokiana mandra-maty!

 Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...

FF 54 - Finoana, Fanantenana, Fiitiavana

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Mandrosoa hatrany
 Aza kivy foana
 Zava-tsoa tsy lany
 Ao anatin’ny finoana.

 Fiv : ‘Reto no miray
 Hery lehibe tokoa dia
 Ny finoana, Ny fanantenana,
 Ny fitiavana.

 2. Tano tsy ho very
 Ny fanantenana
 Fa mitondra hery
 Eny an-dàlana ombana.

 ‘Reto no miray sns...

 3. Aina vaovao
 Herin’ny fanahy
 Ny fitiavanao
 Ka tanako tokoa ho ahy.

 ‘Reto no miray sns...
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...